Taratra

Kitra any ivelany : maro ny mpilalao nandeha retirety

Maro ny mpilalao baolina kitra malaza, nandeha nisotro ronono. Isan’ny tena misongadina amin’izany i Gareth Bale, mpilalao an’i Pays de Galles sy i Hugo Lloris, kapiteny frantsay ary i Blaise Matuidi, mpilalao frantsay ihany koa. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo tao anaty tambajotran-tserasera nanomboka ny alatsinainy lasa teo. “Rehefa nandinika […]

Tenisy – Afrika 2023 : misongadina ny mpilalao malagasy

Notanterahina ny alatsinainy teo ny lalao ampahefa-dalana, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taranja tenisy, aty amin’ny faritra Atsimo. Fifaninanana izay natao ho an’ny sokajy U14 sy U16 lahy sy vavy. Vokatra tsara no azon’ireo ekipa malagasy, tamin’ity fifaninanana izay tanterahina any Harare Zimbabwe ity. Miisa telo ireo mpilalao malagasy […]

Tae-Kwon-Do WT Frantsa : nahazo “diplôme régional jeune arbitre” i Jessica

Tsy mitsahatra ny misongadina any Frantsa Randria­miandrisoa Jessica, ilay Ma­la­gasy mpanao Tae-kwon-do WT. Ny alahady lasa teo, afaka tamin’ny dingana voalohany tamin’ny fanadinana, hahazoana ny mari-pahaizana “diplôme régional jeune arbitre” ny tovovavy. Nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka rezionaly Pays de Loire Nantes, ny nahazoany izany. Raha tsiahivina, misy fitsapana […]

Kolokitra : notolorana loka ireo ankizy mpilalao baolin’ny EPP Andavamamba

Notolorana fanomezana ireo ankizy mpianatra ao amin’ny EPP Andavamamba, teny Alarobia, omaly. Izy ireo izay tompondaka tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Kolokitra, nanomboka ny volana jolay lasa teo. Notanterahina omaly teny amin’ny “Show-room” Yamaha Ala­ro­bia, ny fanolorana ny loka, toy ny baolina kitra, ho an’ireo ankizy mpilalao baolina ao amin’ny EPP Andava­mamba. […]

Famaranana ny faha-30 taona : hanatanteraka ny seho lehibe ny TMI

Seho lehibe voalohany amin’ity taona 2023 ity. Ho­tanterahina ao amin’ny La­pan’ny fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, etsy Ma­ha­masina ny famaranana ny fanamarihan’ny Tanora Ma­sina Itaosy (TMI) ny fankalazana ny faha-30 taona ni­joroany. Fampisehoana lehibe hotanterahina ny 5 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. « Tanora Msina Itaosy en Live », fampisehoana mandritra […]