Taratra

Moto – « 4 Heures Honda » : hanomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso, eny Am­bohidratrimo, ny fifaninanana “4 Heures Honda” eo amin’ny taranja Moto. Marihina fa hiavaka tanteraka ity andiany faha-22 ity satria hotontosaina amin’ny “circuit” vaovao ny hazakazaka. Tsara ny mampahatsiahy fa miisa 170 mianadahy mianaka ny mpanamory, hiady lohany amin’ity fifanintsanana ity. Ankoatra ireo Malagasy mpifaninana, […]

Lalao Afrikanina : andrasana ny Ankoay sy ny Makis ary ny Akomba

Anisan’ireo firenena 54 mandray anjara amin’ny “Lalao Afrikanina”, atao any Accra, Ghana, i Madagasikara. Tsy mbola tonga any an-toerana ireo Malagasy mpilalao basikety sy tenisy ary rugby. Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny “Lalao Afrikanina” an­diany faha-13, atao ao Accra, Ghana, ny 8 hatramin’ny 23 marsa ho avy izao. Araka ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Maro ny vehivavy mitana andraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny asa vaventy. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa momba ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny sehatry ny lalana (PDDR) sy ny Fampitohizana ny rohy hisian’ny fampandrosoana miaty (PCMCI), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Anisan’ny nisongadina ny 8 marsa, omaly, tany Toamasina, ny fampirantiana ny […]

Fizahantany : 63 000 ny Malagasy nitsidika valan-javaboahary

Tsy mitsaha-mitombo ! Manomboka mahaliana ny Malagasy ny mitsidika valan-javaboahary. Manana ny anjara birikiny ny fisian’ny hetsika “Tsenaben’ny fizahantany”, nanomboka ny taona 2020. Tanjona ny hampiroboro­boana ny fizahantany anatiny, satria nampihisatra ny fizahantany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy teto Mada­gasikara, ny fisian’ny tranga Covid-19. Araka ny antontan’isa avy amin’ny Ofisim-pirenena ho […]

Fankalazana ny 8 marsa : tohana avy amin’ny vehivavy mpiasan’ny Star

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny vehivavy mpiasan’ny orinasa Star, omaly. Hetsika “sosialy tomponandraikitra” no nataon’izy ireo, nanome fanampiana ny reny sy ny zaza tany amin’ny toerana miisa 13 (Antananarivo, Andranovelona, Ambatolampy, Antsirabe, Antsiranana, Nosy Be, Ambanja, Sambava, Toamasina, Moron­dava, Manakara, Ihosy, Toliara) ahitana ny orinasa. Nizarana […]