Taratra

Kaominina Ampanotokana : efa salama ireo noahiana ho voan’ny pesta

Tapitra ny 30 desambra teo ny fihibohana natao ta­min’ireo mponina tao amin’ny fokontany Androhibe, kaominina Ampanotokana, dist­ri­kan’Ambohidratrimo. Efa afa­ka mifamezivezy ny mponina satria voafehy ny aretina izay nampiahiahy toy ny trangana pesta ka nahafaty olona dimy tao an-toerana. Nisy tamin’ireo mpivady… Afaka misokatra, araka izany, ny sekoly amin’ny fidiran’ny mpianatra […]

Fanaovana vaksiny BCG: ho avy tsy ho ela ny fitaovam-panindromana manokana

Tsy manakana ny fanohizana ny fanatanterahana ny vaksiny hafa rehetra tokony hositrahin’ny zaza ny tsy mbola fisian’ny fitaovam-panindromana eny amin’ny CSB. “Efa ho avy tsy ho ela ny fitaovam-panindromana ilaina amin’ny fanaovana ny vaksiny BCG tokony hataon’ny zaza vao teraka ka hatramin’ny iray volana ahaterahany. Misy sy ampy ny tahirim-baksiny […]

IFM Analakely: misokatra ho an’ny rehetra ny seho “Slam”

Hotanterahina ny asabotsy 7 janoary 2022, eny amin’ny Institut Français de Mada­gascar na IFM Analakely ny “Slam scène ouverte”, karakarain’ny fikambanana Mada­gaslam. Hetsika natao ho an’ izay te hampiseho ny talentany eo amin’ny tontolon’ny “Slam”. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra amin’io fotoana io. Tanjona ao anatin’izao ny hanatrarana ny […]

Fitendrena gitara : hizara ny fahaizany amin’ny Malagasy i Flamenca Arnito

Hotanterahina ny asabotsy 9 janoary 2023, ary tsy hifarana raha tsy ny alarobia 11 janoary 2023 ny “Masterclass International de Guitare”, karakarain’ny “EGM-Conser­vatoire de Musique”. Hetsika fanararaotra ho an’ny mpiangaly sy mpankafy gitara Malagasy, indrindra ny mpianatra eo anivon’ity sekoly fampianarana mozika ity. Ho avy amin’io hetsika io ihany koa […]