Taratra

Fahatapahana lalandra (AVC) : 20 hatramin’ny 55 taona ny olona tena voan’ny aretina

Mihamaro hatrany ireo mararin’ny fa­hatapahana lalandra maneran-tany. Mianjera, fanina tampoka, torana, marary an-doha… Anisan’ny tranga miseho sy mahazo ny olona ireo rehefa tratran’ny AVC izy. Mety mitarika fahafatesana ihany koa izany raha taraiky ny fitsaboana. Izay nihamaro tato ho ato. Miisa 130 000 isan-taona ny olona voan’ny fahatapahana lalandra any […]

FANTINA sy FINTINA

Notoloran’ny filohan’ny Antenimieram­pi­renena, Razanamahasoa Christine, vola ireo fikambanam-behivavy mikarakara ny 8 marsa ao Am­ba­tofinandrahana. Nahazo vola koa ireo kaominina telo andrefan’ny distrika ary ny dorkasy FJKM hanao zaikabe any Antsirabe. Mbola kandidà depiote eny amin’ny boriborintany fahenina, Andriamampandry Todisoa. Hatolotry ny Vovonana Firaisankina : Tim, HVM, APM, Tsara Tahafina, ProSiteny […]

Famindram-pitantanana : horaisin’ny PDS, anio, ny fitantanana ny CUA

Efa vita, omaly, ny famindram-pitantanan-draharaha. Nialohavan’ny fananganan-tsaina voalohany tetsy anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, notarihin’ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS) an’Antana­narivo, Ramanambintana Ri­chard, izany. Tonga nanotrona io fotoana io ny ben’ny Tànana teo aloha, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andrian­tsitohaina Naina. Fanama­fisana ny maha eo hatrany, mpiahy ny vondrom-bahoakam-paritra […]

Mahay mifampitsinjo

  Raha somary kivikivy amin’ny rano sy ny loto izay entin’ny orana ny eto an-dRenivohitra, hita ho velombolo tanteraka ny mponina any ambany ravin-kazo rehetra any. Ampy tanteraka ny rotsakorana ho an’ny fambolena tamin’ity taona ity. Tsy dia hitan’ny vilany firy izany mahandro fotsy izany. Somary tsy ren’ny isan-tokantrano any […]

Antananarivo Renivohitra : nanolotra fitaovana handraofana fako ny Japoney

Ny filoha Rajoelina Andry mihitsy no nandray ireo fitaovana entina hadiovana ny tanànan’Antananarivo, omaly. Fanampiana avy amin’ny Japoney izany. Tontosa omaly ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny fitaovana entina hanatsarana ny fifehezana ny fako eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny tetikasa “Gesda”. Fanomezana avy amin’ny Japoney, amin’ny alalan’ny “Agence […]