Rongony 60 fototra sy zanany anaty tavim-boninkazo no saron’ny zandary tao Befanitso, fokontany Morarivo, kaominina ambanivohitr’i Miandrarivo, Tsiroanomandidy, afakomaly. Tratra ihany koa ireo roa lahy mpiandry saha. Efa niditra am-ponja noho ny fambolena rongony ny tompon’ity sahan-drongony ity, ny marsa 2023, saingy niverina nanohy ny asa ratsiny indray rehefa tafavoaka […]
Taratra
Imerintsiatosika : Karohina ilay lehilahy nanolan-jaza
Hifampitadiavana ny lehilahy nanolan-jaza tao Merimandroso, Imerintsiatosika, ny alahady 3 marsa teo. Namoahan’ny mpitandro filaminana taratasy fikarohana ilay nahavanon-doza. Nirahin’ io tsy mataho-tody io nividy sigara ilay zazavavy tamin’io andro io. Nanatitra ny sigara tao an-tranon’ilay lehilahy, niharan’ny fanolanana ilay zaza vao 6 taona monja. Naratra mafy izy ary simba […]
Ambohibao: jiolahy iray lavon’ny zandary
Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika indray teny Morondava, kaominina ambanivohitr’Ambohibao Antehiroka, omaly alina. Efa-dahy ry zalahy no niditra antsokosoko tao amina tokantranon’olona iray eny an-toerana, tamin’io fotoana io. Maty paika tanteraka ity fanafihan-jiolahy ity satria efa voaomana mialoha ny fomba hidiran’izy ireo ao amin’ity tanàna ity, raha ny tatitra voaray […]
Itaosy : lehilahy hita faty tsy nisy atidoha
Nahitana fatin-dehilahy iray tao Itaosy, omaly atoandro. Simba tanteraka ny vatany ary tsy nisy namantarana azy intsony. Fatin-dehilahy iray tsy nisy tongotra havia, hitan’ny fokonolona teo an-tokotanim-pasana tao Andrambato, kaominina Itaosy, omaly. Olona nandalo no naheno fofona hafahafa. Niezaka namantatra ny zava-nisy izy. “Nahita lalitra nitangorona io olona io ka […]
Raholinarivo Paolo ; “Manara-maso no asan’ny depiote…”
“Tsy hiady na amin’iza na iza izahay, fa tokony hofantarina raha amin’ny fanjakana tan-dalàna: inona no andraikitry ny olom-boafidy? Raha parlemanta izy: mandany lalàna, afa-manolotra lalàna, manara-maso ny asan’ny mpanatanteraka fa tsy manevateva na manambanimbany azy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo, momba ny depiote voafidy tao Mahajanga II, […]




