Taratra

Faran’ny taona sy taom-baovao : nahazo vahana ny tsatok’ antsy tao Toamasina

Fety tsy ialana loza ! Nanjaka tanteraka ny tsatok’antsy sy vonoan’olona, tao Toamasina, nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fiandohan’ny taona Nilamindamina ny fiatrehan’ireo mpiasan’ ny fahasalamana ny fiandrasan-draharaha tao amin’ ny sampana vonjy taitran’ny Hopitalibe Toamasina, ny alin’ ny 31 desambra 2022 sy ny taom-baovao 2023. Nahazo vahana […]

Krizy ara-toekarena : bokan-trosa ny firenena mahantra

Nilaza ny banky Iraisam-pirenena, fa miha ratsy hatrany ny krizy iainan’ny firenena andalam-pandrosoana, na­nom­boka ny taona 2022. Ni­tombo izay tsy izy ny trosan’ izy ireo tato anatin’ny 10 taona farany, izay voakasik’ izany ny 60% ny firenena tena mahantra, toa an’i Madagasi­kara. Tsy ahafahan’ny firenena mahantra mampiasa vola mi­tondra fampandrosoana […]

OMH: mitombo hatrany ny fanjifana gazoala

Nanatombo ny fanjifana solika tamin’ny taona 2022 raha ampitahana tamin’ny 2021, araka ny antontanisa navoakan’ny OMH (Office Malgache des Hydrocar­bu­res). Ny tarehimarika navoaka, lany nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ny taon-dasa, nisy 609 995 m3 raha 513.612 m3 izany ta­min’io fotoana io ihany ny taona 2021. Amin’ny ankapobeny nitombo 18 % […]

taona 2022 : taona ratsy niadiana ny fahantrana

Namoaka fanambarana ny Banky Iraisam-pirenena (BM), fa nahery vaika ny fahantrana tamin’ny taona 2022 teo . Nanomboka tamin’ny nisian’ny valan’aretina Covid-19 , very momoka ny ezaka sy ny paikady samihafa niadiana tamin’ny fahantrana tato anatin’ny am-polon-taona mahery. Tsy mifandanja ny fanarenana ny toekarena sy sosialy, taorian’ny Covid eo amin’ny firenena […]

Angovo azo havaozina : sady nohasarotina no mavesatra ny dingana arahina

Milaza ny filoham-pirenena fa hampirisihina ny mpandraharaha eto an-toerana hisehatra amin’ny famokarana na fandraharahana amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Toa mifanipaka amin’ izany anefa ny didy navoakan’ny minisiteran’ny Angovo, manasarotra ny dingana arahina. Namoaka didim-panjakana (lah. 26766/2022) ny minisiteran’ny An­govo sy ny akoranafo, ny 10 oktobra 2022, mikasika ny […]