Taratra

Fiatrehana fifidianana : mila fijery lavitra ny fanovana

Hatramin’izao, efa ao anatin’ny taom-pifidianana, mitaky hatrany ny tokony hanovana ny firafitra na ny mpikamban’ny rafitra mpikarakara sy mpikirakira fifidianana ny mpanohitra sasany. Mbola azo tanterahina sy mety ho vita ve izany? Nefa takiana koa ny tsy hanalavana ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra am-perinasa. Tsy vitan’izany, hanaiky sy ha­nao izany ve ireo […]

Tetiandron’ny Ceni : ho aorian’ny 19 novambra ny fifidianana

Hivory tsy ho ela ny eo anivon’ny Ceni ary hanolotra ny vinavinan’ny tetiandro ho an’ny fifidianana filoham-pirenena, amin’ity taona ity. Notsiahivin’ny mpitondra teny, Soava Andriamarotafika, ny voalazan’ny Lalàmpanorenana momba izany. “Tokony ho eo anelanan’ny 19 novambra hatramin’ny 19 desambra izao ny fifidianana filoham-pirenena raha miainga amin’ny roa volana na ny […]

Jean Eric Duluc : « Hiroborobo ny fizahantany eto Madagasikara »

Azo antoka ny firoboro­bon’ny sehatry ny fizahantany ho an’i Madagasikara amin’ity taona 2023 ho avy ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ny fizahantany (FIT), Jean Eric Duluc, omaly. Tao­rian’ny krizy ara-pahasalamana nandalovan’ny firenena maneran-tany, efa manomboka misokatra ary mivelatra amin’ireo firenena hafa amin’io sehatra io ny eto Ma­dagasikara, hoy […]

Fidirana politika izao…

Mandritra ity volana ity, fifampiarahabana sy fifampirarian-tsoa hatrany. Arahaba soa, arahaba tsara. Mbola ao anatin’ny hoe fiatoana sy fitoniana politika ve izany? Voalazan’ny mpan­dinika sasany fa misy sy iainana hatrany ny hoe politika. Tsy azo avela ny fitondrana firenena, fitantanana tanàna… Ny politika mitondra amina adilahy no hoe tokony hatsahatra, […]