Tazana matetika eny an-kianja amin’izao, ireo minisitra, araka ny toromarika efa nomen’ny filoham-pirenena, amin’ny tsy tokony hanafanana birao. Fantatra ihany koa anefa fa misy amin’izy ireo no ho anisan’ny hirotsaka ho fidina amin’ny fifidianana Solombavambahoaka ho avy io. Anisan’izany, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, izay […]
Taratra
Antenimierampirenena : Zana-kazo 4 000 voavoly
Notanterahina ny 1 marsa 2024, ny fambolen-kazo nataon’ ny Antenimierampirenena. Teny amin’ny kaominina Ampaneva, distrikan’i Manjakandriana no nosafidiana hanaovana izany tamin’ity taona ity. Zana-kazo 4000 no natsatoka nandritra izany izay nahitana frêne, eucalyptus robusta, filao, voandelaka ary eucalyptus citriodoa ary bambou. Ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine no nitarika ny foto […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny: “Tsy tokony hotsabahin’ny vahiny ny raharaham-pirenena”
Nitondra fanazavana momba ny hevitry ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina mahakasika ny famosirana ny minisitry ny Fitsarana. ”Tsy tokony hotsabahin’ny vahiny ny raharaham- pirenena”, hoy izy. “Ny fiantsoana an-dRtoa masoivohon’ ny Vondrona Eoropenaina eto Madagasikara teto amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny androany dia nahazoana namerina fa firenena mahaleo tena sy manana ny fiandrianany i Madagasikara”. […]
Androbe: Aretin’ny atidoha faharoa hanatonan’ny olona hopitaly
13 amin’izao fotoana izao ny neurologue spécialiste miasa manerana ny Nosy. Ny mpitsabo ny aretina ankapobeny koa dia nahazo fiofanana momba ny « neurologie » nandritra ny fianarany ho mpitsabo ary afaka mandray an-tanana ny olona tratran’ny androbe, hoy ny neurologue interniste ao amin’ny service neurologie-HJRB, Razafimahefa Julien. Maneran-tany, 50 tapitrisa ny […]
Morondava : nohavaozina ny Lycée technique professionnel
Niova endrika tanteraka ny efitrano fampianarana sy fanamboarana sambo vita amin’ny hazo ao amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) Morondava, faritra Menabe, noho ny fiaraha-mientan’ny mpianatra sy ny tanora ao anatin’ny fikambanana Io Renala. Narenina ny trano falafa teo aloha ary lasa trano biriky mitafo fanitso. Nofaranana tamin’ity herinandro ity ny […]




