Hitondra soa sy fanambinana anie ny taona vaovao. Izay mandrakariva ny faniriana sy firariantsoa isaky ny tonon-taona toy izao. Eo koa ny hoe ho taon-jina, ho taom-pahombiazana, ho taom-pahasambarana… Ho tonga sy ho tanteraka ho azy amin’izao ve izany rehetra izany? Raha ny marina, tsy ny taona no hitondra […]
Taratra
Filoha Rajoelina Andry : Ho taona hametrahana fanamby goavana ny 2025
Ho vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny famahana ny olan’ny jiro sy rano. Ho jerena ny fitsimbinana ny vahoaka. Ambony ny fanamby amin’ny fampahafantarana an’i Madagasikara any ivelany. Ireo no vontoatin’ny lahatenin’ny Filoha Rajoelina Andry, afakomaly. “Ity taona vaovao ity dia ametrahantsika fanamby goavana. Koa mino sy matoky aho fa ireo dingana atrehintsika […]
VAOVAO TAMBATRA
Hapetraka eny amin’ny PK 0 (lalambe migodana) Tsarasaotra ny toby herinaratra avy amin’ny masoandro. Hanana tanjaka 50 MW ity fotodrafitrasa ity, hanampy ny vokatra herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Ho vita mialoha ny aogositra 2025 ity fotodrafitrasa lehibe ity. Miisa 1 500 ny zana-kazo novolen’ny mpino katolika, diosezy Fianarantsoa, […]
Fanamboaran-dalana : Hatao godirao ny mankany Ambatoboeny
Mandroso ny asa fanarenana ny lalana tena ratsy any amin’ny lalam-pirenena faha-33, miainga eo Andranofasika (RN4) mankany Ambatoboeny, hatreo amin’ny « radier », mirefy 20 km. Anisan’ny asa hatao ny fanamboaran-dalana sy ireo fotodrafitrasa toy ny fanarenana ny sisin-dalana sy ny tatatra ary ny lakandrano (dalot). Mihafara amin’ny fandrakofana godirao ny lalana […]
Sandam-bola : 181 Ar sisa ny elanelan’ ny euro sy ny dolara
Nidina kely tato anatin’ny iray volana, araka ny tatitry ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Misanda 4 873 Ar ny 1 euro ny 30 desambra 2024, raha 4 899 Ar ny 2 desambra. Efa tafakatra 4 925 Ar izany ny 10 desambra, saingy nidina indray taty aoriana. Etsy ankilany, niakatra tsikelikely ny lanjan’ny dolara, […]