Taratra

Fiaraha-miasa sy fiandrianam-pirenena: mitaky ny tsy ifampitsabahana i Rosia sy i Madagasikara

Mitsidika ny any Rosia, amin’izao fotoana izao, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice. Nisy ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny rosianina, Serguei Lavrov. Nampitovy tadin-dokanga. Voaresaka tamin’izany ny fampandrosoana, na eo amin’ny sehatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta na ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Anisan’ny voatsiahy ny fanamafisana […]

Tezitra noho ny kolikoly: nitokona ny mpamily sy ny reseveran’ny taxi-be

Nidina an-dalambe, omaly, ny mpamily sy ny reseveran’ny taxi-be, eto an-dRenivohitra. Nilaza ho leo kolikoly ataon’ny polisy kaominaly izy ireo. Nodian-dry zalahy fanina kosa ny tsy fanarahan-dalàna ataony. Nidina an-dalambe sy ni­lanja sorabaventy mitaky ny handravana ny Direc­tion des transports et de la mo­bilité urbaine (DTMU) ny mpamily sy resevera […]

Indray mijery

Ho an’ny fandraisana mpiasa 356 eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, mizara toy izao ny sokajy : mpampiofana 220, mpiasa ara-pitantanana sy ara-teknika 136. Efa nanomboka ny alatsinainy teo ny fametrahana ny antontan-taratasy ary ny 22 jolay ho avy izao ny daty farany fametrahana izany. Eny amin’ny foiben-toeran’ny […]

PAM sy BNGRC Hamafisina ny fandrindrana ny asa fiomanana

Notanterahina omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny Fan­daharanasan’ny Firenena mi­kambana momba ny sakafo (Pam), ny fanaovan-tsonia ny drafitrasa iarahany amin’ny BNGRC mandritra ny taona 2026- 2027. « Raha zohina ny zava-misy, miha mahery vaika ny rivodoza mandalo eto Ma­dagasikara. Mbola mahazo vahana ny haintany any atsimon’ny Nosy ka mamparefo ny tokantrano maro », hoy […]