Vehivavy iray tratra nangarom-paosy teny Ambolokandrina, omaly maraina. Vehivavy miisa telo, raha ny fantatra, no miaraka manao io asa ratsy io eny an-toerana. Nangaronin’izy ireo ny paosin’ny vehivavy iray nividy sakafo maraina, ka lasany tamin’izany ny finday. Tratra ny iray tamin’izy ireo ary mbola hita tany aminy ny finday nangalariny. […]
Taratra
Tsiadana: zandary sandoka naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana afakomaly, voatazona vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nisandoka ho zandary teny Tsiadana, boriborintany faharoa. Nitondra moto sady nanao fanamiana zandary mitondra tsipika roa io lehilahy io. Nifamaly tamin’ny mpitondra fiara iray teny an-toerana izy, ny 20 jona lasa teo. Nodakadakan’io lehilahy io anefa ny fiara. Nalainy ny […]
Olana ara-pitiavana: tovovavy kilasy famaranana namono tena
Mateti-pitranga ny tranga famonoan-tena tato ho ato. Tanora vao erotrerony avokoa ny voasarik’izany amin’ny ankapobeny. Tovovavy, kilasy famaranana ao amin’ny Lycée iray ao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahela, disitrikan’i Tanambao Manampontsy no namono tena, ny sabotsy tolakandro 20 jona lasa teo. Hita faty nihantona tamin’ny tady teny ambony hazo izy, tamin’io […]
SIAE 2026: hampivondrona ireo mpiara-miombon’antoka
Manomana ny andiany fahadimy amin’ny « Salon international des affaires et de l’entrepreneuriat (SIAE 2026) » ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP). Hetsika mifanandrify amin’ny fankalazana ny Andron’ny indostria aty Afrika (JIA), atao ny 19-22 novambra ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato. Niara-misalahy manolotra ny vina […]
Tetikasa LEAD: mahatratra 2 tapitrisa ny olona nisitraka herinaratra
Tapitra amin’ity volana jona ity ny tetikasa Lead, miompana amin’ny fahazoan’ny rehetra angovo sy herinaratra. Notohanan’ny Banky iraisam-pirenena, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, izany. Nahafapo ny vokatra. Natao omaly, ny tomban’ny tetikasa fampiroboroboana ny fahazoana angovo sy ny herinaratra mora (Lead). Votoatiny ny nisintomana ny paikady nahomby […]





