Niavaka ity taona 2024 ity ho an-dRasoanaivo Razafy Laura, Malagasy mpiangaly ny taranja Judo. Namarana ny maha sokajy Junior (U21) azy izy tamin’ity ary tena nanoratra tantara teo amin’io sokajy io teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. 3 taona izay no nanaovany Judo teo amin’ny sokajy Junior ary nitanany ny laharana voalohany […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Tsy mbola hivoaka amin’ity faran’ny taona ity ny anaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar, sokajy “A”. Araka ny angom-baovao, mbola ao anatin’ny fifantenana ireo mahafeno ny fepetra hitondra ny ekipam-pirenena malagasy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’izao fotoana izao. Tsy mbola voatendry ny tale teknika nasionaly […]
Tenisy – Jery todika taona 2024: Nahavariana ny maro ny fialan’i Nadal
Nampiavaka ity taona 2024 ity, teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fandehanan’ilay espaniola, mpilalao tenisy kalaza maneran-tany, i Raphael Nadal. Nanaitra ny mpanara-baovao ny alin’ny 19 hifoha 20 novambra lasa teo ny fanambarany fa hiala tsy hilalao intsony eo amin’ny sehatra matihanina ny tenany. Resin’ilay teratany hollandais, Botic Van de Zandschulp, […]
Tournoi meilleurs contre les meilleurs: Nahitana talenta vao ny andiany voalohany
Fahombiazana ny andiany voalohany tamin’ilay tetikasa “Talent Development Scheme” (TDS), taranja baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny U15, natao tany Antsirabe. Fihaonana nanaovana tomban’ezaka teo amin’ireo ivontoerana telo, Toliara sy Mahajanga ary Antsirabe. Nifarana tany Antsirabe, ny sabotsy 28 desambra lasa teo, ny andiany voalohany tamin’ilay “Tournoi meilleurs contre les […]
Fanafihana : Tobin-dasantsy voaroba 7 tapitrisa Ar
Jiolahy telo lahy mitam-piadiana nanafika tobin-dasantsy ka nandroba vola 7 tapitrisa Ar tao Ambohijafy, Toamasina, manakaiky ny fivoahana amin’ny RN5, ny sabotsy 28 desambra teo. Tsy nisy nisaron-tava, nigadona teo amin’io toeram-pitsinjarana solika io, ireo tsy valahara ny harivan’io andro io. Namoaka avy hatrany ny basy teny aminy sy ny […]