Taratra

Vanim-potoan’ny fety: hentitra ny fanaraha-maso ny tsena

Mijery akaiky ny kalitaon’ny entana amidy eny an-tsena ny kaomisera sy mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninana, avy amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. Narahi-maso ny akora sy ny fomba fitahirizana sakafo eny amin’ny Zaimaka-Analakely sy ireo mpivarotra hani-masaka eny Mahamasina. Nentanina hitandro ny fenitra […]

Fanafihana tetsy Ankadikely: maty voatifitra Radevoly, jiolahy raindahiny

Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena nandritra ny fifanenjehana ny jiolahy raindahiny iray tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alin’ny talata 23 jona teo. Nanao asa fanafihana tao amin’ny fokontany Ambaniatsimo, kaominina Ankadikely Ilafy, nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ny jiolahy maromaro, ny harivan’ny talata 23 jona teo. Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy vita gasy […]

Fitoriana an-kira ny evanjely : 10 taona ny Chapelle musicale Voix du Carmel

10 taona nitoriana an-kira ny evanjely sy nampahafantarana ny aim-panahy karmelita ny eo anivon’ny Chapelle musicale Voix du Carmel. Hanamarika izany izy ireo amin’ity taona ity. Anisan’ny fikambanana Masina iray ao anatin’ny fianakaviamben’ny karmely, manaja manokana an’i Masina Maria mpanjakavavin’ny karmely izy ireo. Antom-pisiany ny fitoriana an-kira ny evanjely sy […]

Feno ny mpanjifa: laharana fanampiny Airtel ny 035

Manodidina ny 5 tapitrisa isam-bolana ny mpanjifan’ny Airtel Madagasikara. Miditra amin’ny dingana vaovao indray, noho izany, ity orinasa tambajotram-pifandraisana ity. Fiantombohan’ny laharana hampiasain’ny Airtel vaovao ny 035, manampy ny 033 namantarana azy hatramin’izay. Nihatra nanomboka ny alatsinainy 22 jona teo io laharana io, manerana an’i Madagasikara. Mitovy tanteraka amin’ny fiasan’ny […]