Taratra

Seho feno fihetseham-po… Nanjakan’ny firaisankina ny “Noely Fihobiana”

Seho tsy nisy vidim-pidirana, saingy seho tena matihanina. Izay no azo hamaritana ny “Noely Fihobiana”, notontosaina ny zoma tolakandro teo, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, Mahamasina. Nanjakan’ny firaisankina tanteraka, satria izay tokoa no tanjon’ny Sampana Tanora Kristianina (STK) foibe avy eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), […]

Fiverenana an-tsehatra: vonona amin’ny dingana manaraka i Lalie

Tsy nisy latsaka! Ilay feo miavaka, mbola i Lalie ihany no Lalie. Feno fahatokisan-tena ary mpanakanto tena nanomana no tsikaritr’ireo tsara vintana ka nanatrika ny seho izay nataon’ity mpanakanto ity ny alin’ny zoma teo, tetsy amin’ny Le Galet Manakambahiny. “Tadidinareo ve izany?” hoy ny fanotaniany raha namerina ny “Fo mifampitady”. […]

Fifaninanana hatsaram-bika: voahosotra ho « Miss Analamanga 2023 » i Fitia Sonia

Efa fantatra ny solontenan’ny Faritra Analamanga, mandritra ny fifaninanana “Miss Madagascar”. Fitia Sonia no voahosotra ho “Miss Analamanga”, taorian’ny lanonam-pamaranana ny fifaninanana , ny zoma teo. Tontosa ny alin’ny zoma 23 desambra 2022, teny amin’ny CCI Ivato, ny famaranana ny « Miss Analamanga 2023 ». Niisa 20 ireo tovovavy nifaninana nandritra ny […]

Fahasahiranam-bahoaka: miantso ny fanampian’ny mpanohitra ny VMF

“Miantso ny mpanohitra izahay hijery manokana ny tombontsoam-bahoaka sy hanampy ny vahoaka sahirana, fa tsy ho lany andro amin’ny adilahy politika”, hoy ny Vondron’olona miaro ny fitondrana (VMF) tarihin’ny filohany, Rantenaina Falson Jocelyn, teny Ampefiloha ny herinandro teo. Mijoro ho arofanin’ny fitondrana manoloana ny fanaovana politika efa tsy mety intsony […]

Hafatra Noely avy amin’ny eveka: « Jereo ny fandriampahalemana… »

Niarahaba sy nirary soa ny vahoaka sy ny kristianina ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), tamin’ny alalan’ny filohany, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien. Nambarany ireo olana sy sakana mbola hodinganina, hiadanan’ny rehetra.   Notsiahiviny anefa ny hafatry ny papa Fransoa, amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiadanana sy ny firahalahiana, ny 1 […]