Taratra

Mitentina 19 296 000 000 Ar : Cocaïne 64,32 kg tratran’ny Polisy

Nahatrarana rongony mahery vaika “cocaïne” milanja 64,32 kg ireo telo lahy voasambotry ny polisy tao Androranga Toamasina, ny 19 febroary teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy olona mikasa hanaparitaka io kazaran-java-mahadomelina mahery vaika io tao an-toerana. Nidina ifotony nanao ny fisavana izy ireo. Tratra tao amin’ny toerana fametrahana entana […]

Nandroba basy sy grenady: 49 mianadahy naiditra am-ponja

56 mianadahy ny voasaringotra tamin’ny fandorana ny borigadin’Ankazomiriotra. Naiditra vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny 49 mianadahy. Efa nisy basy iray tafaverina. Nitotaly 56 ny olona voasambotra sy nanaovana famotorana momba ny fandorana ny tobin’ny borigadin’ny zandary ao Ankazo­miriotra, distrikan’i Mandoto. Niakatra fampanoavana izy ireo, afakomaly. Vokany, notanana vonjimaika ao amin’ny […]

Rugby – “Lalao Afrikanina, (J.A 2024)” : najanon’ny minisitera ny Makis lahy

Alahelo miharo hatairana ny nandraisan’ny Malagasy Rugby ny filazana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Hajanona tsy hiatrika ny lalao afrikanina, tanterahina any Ghana ny Makis, sokajy lehilahy. Nam­baran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny federasiona ta­min’ny mpanao gazety teny Andohatapenaka, omaly, fa noho ny fandaminana dia tsy anisan’ny handeha ny Makis de […]

SOMBIM-BAOVAO

Nigadona eto Madagasikara, ny 15 febroary teo, ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney miisa dimy. Ny iray amin’izy ireo, hiara-hiasa amin’ny federasiona malagasin’ny taranja «Ping-pong». Haharitra roa taona eo ny asan’izy ireo eto an-toerana. Tsiahivina fa ny ekipa malagasy dia niatrika ny Mondial, lalao iaraisana, tamin’ ity taranja ity. Hifanandrina amin’ny ekipan’ny […]

“Pureplay Football League”: hanafika ny Fosa Jr ny Ajesaia

Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra. Hisongadina amin’izany ny lalaon’ny Fosa Jr Boeny sy ny Ajesaia Bongolava, ho an’ny kaonferansy atsimo. Fihaonana hatao ao amin’ny Kianja Rabe­manan­jara Mahajanga, ny alahady ho avy izao. Hanalavela ny ekipan’i Bongolava amin’ity. Raha tsiahivina, resin’ny […]