“Ny olana: lasa mametraka tsy fahatokisana mialoha avokoa ny lisitra kandidà. Nefa matoa miroso amin’ny fifidianana, mila miroso amin’ny ara-dalàna hatramin’ny farany”. Io ny fanehoan-kevitry ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, amin’izao fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly izao. […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Nozaraina ny tambin-karama tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE tao amin’ny Cisco Fandriana. Vita koa ny fiofanana ho an’ireo mpampianatra mitazona kilasy T4, T5 sy ireo mpampianatra mitazona kilasy T1, T2, T3. Nitohy ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpampianatra tsirairay ka tao amin’ny Zap Sahamadio sy ny Milamaina avy eo nitohy tamin’ireo Zap rehetra […]
Alaotra Mangoro : Latsaka noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana
Araka ny rotsakorana voarefy tamin’ny zanabolana, saika ny ilany andrefan’ Alaotra no nahazo rotsakorana, ny alahady teo. Niendrika tandrifin-drahona mitsitokotoko sy manify izany ho an’ny ilany Atsinanana sy tao Mangoro. Tombanana ho nanodidina ny 25-30mm teo ho eo ny tahan’ny rotsakorana tao anatin’ny 24 ora, ho an’ny distrikan’Amparafaravola, hoy ny […]
Faran’ny taona : Mifanaretsaka ny mpiantsena
Mitohy ny tsena eto an-dRenivohitra, iray andro mialoha ny fiafaran’ny taona, maresaka ny tsenam-pokontany sy ny tsena mahazatra. Tomefy olona avokoa ny toeram-pivarotana misokatra hatramin’ny anio hariva. Misy ireo mbola hivarotra ny alarobia ho avy izao noho ny fitadiavana. Ny akanjo sy kiraro ary poketra no be mpanjifa hiatrehana ny […]
Taolagnaro : Mankalaza ny faha-20 taonany ny fikambanana Hoavign’Anôsy
Feno 20 taona ny fikambanana Hoavign’Anôsy ary nikarakara ny « Festival Sambaraha » makotroka tao Taolagnaro. Fotoana nanehoana firaisankina sy fampandrosoana ny faritra. Nandritra ny hefarana, tamin’ity faran’ny taona ity, no nanatanterahina ny “Festival Sambaraha” tao Taolagnaro. Andiany fahafito ny hetsika ary nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny fikambanana Hoavign’Anôsy […]