Dimy andro taorian’ny fandravana ny governemanta, tafapetraka amin’ny toerany ny praiminisitra faharoa, hiandraikitra ny fanavaozana. Notendren’ny kolonely Randrianirina Michaël, hiara-mitantana ny mpanatanteraka aminy, Rajaonarison Mamitiana Jeannot. Efa alina, omaly, nivoaka ny anaran’izay ho praiminisitra faharoa, hitantana ny fahefana mpanatanteraka miaraka amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nametrahany fitokisana Rajaonarison Mamitiana […]
Taratra
Toamasina: Tokantrano 1200 nampian’ny Airtel
Nidina tany Toamasina ny delegasionina notarihin’ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, ny 6 marsa teo. Fotoana nanehoany ny firaisankina amin’ireo traboina tratry ny rivodoza Gezani farany teo. Nisy ny fanampiana, kojakoja sy zavatra ilaina andavanandro, natolotra ny mponina, niarahana niasa tamin’ny tompon’andraikitra any an-toerana sy ny rafitra mitantana ny […]
Rugby- ” XXL Top 12″: Adin’ny samy kartie ny an’ny CEA sy ny FTM
Hiavaka ny andro fahafito amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby XXL Top 12. Hifandona amin’izany ny ekipa samy kartie, dia ny FTM Manjakaray sy ny CEA Andranomanalina. Ho tafiditra ao anatin’ny roa voalohany izay mivoaka ho mpandresy, amin’ity. Kihon-dalana lehibe eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”, […]
INDRAY MIJERY
Manambara ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana fa ny zoma 20 marsa 2026, izay andro hankalazana ny Eid Al-Fitr ho an’ireo mpino silamo, dia tsy fiasana fa andraisan-karama manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mihatra amin’ireo toeram-piasana rehetra izany. Mizara ao amin’ny pejiny ny Holafitry ny farmasianina fa raha […]
Ahmadiyya : Nanome tohana ny mponin’i Tongarivo
Toy ny fanaony isan-taona, mandritra ny volana masina Ramadany, tokantrano 350, avy ao amin’ny fokontany Tongarivo, distrikan’Atsimondrano, no nahazo tohana avy amin’ny fikambanana miziolomanina Ahmadiyya, omaly, teny amin’ny moske Tongarivo. “Hetsika efa fanao isan-taona, mandritra ny volana masina Ramadany, ny hetsika toy izao. Tsy misy fanavahana sarangan’olona ny fisitrahana ny […]




