Taratra

Iray tsy mivaky

  Nankalaza ny andro natokana ho an’ny tenindreny i Mada­gasikara, omaly. Nanakoako na tsotra aza ny fomba nentina nanamarika izany. Iza tokoa no tsy hihambo amin’ny azy sy ny maha izy azy ? Indrindra fa firenena latsaka an-katerana tahaka izao. Firenena sy vahoaka izay mila ny fiaraha-mientana sy ny fifanohanan’ny rehetra. […]

Fizahantany : vitsy isa ny mpiseradia eto Madagasikara

Malalaka ny tsenan’ny mpiseradia eto Madagasikara. Mila mandalo fanadiovana sy miditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna anefa izany mba hampivelatra ny fizahantany. Singa iray ao anatin’ny rojon-toekarena ny asana mpiseradia. Vitsy anefa izy ireo manoloana ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny sehatry ny fizahantany izay manomboka miarina amin’ izao fotoana […]

Asan-jiolahy: dimy maty voatifitra, 14 voasambotra

Nirefondrefotra ny basy tao Toamasina sy Fianarantsoa. Roa lahy matin’ny polisy tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Niampy 14 lahy ireo voasambotra. Hetsika manokana nataon’ny polisim-pirenena no nahazoana izany. An-jatony ny fitarainanan’ny fokonolona manodidina ny fokotanin’Ankirihiry eo amin’ny bazary may sy manodidina ny Cite Haras. Faritra mena tsy azo lalovana vao manomboka amin’ny […]

Ora-nikija : roa lahy matin’ny ranotrambo

Vokatry ny orambe, lasan’ny ranotrambo tamin’ny alahady, ny raim-pianakaviana miisa roa, teny Ambatomirahavavy. Telo andro taty aoriana, hita teny an-tanimbary ny razana. Telo andro nifampitadiavana tao anaty rano, hita faty afakomaly, ireo roa lahy matin’ny ranotrambo tao Ambatomirahavavy ny 18 febroary lasa teo. Tsy lavitra ny toerana nitondran’ny rano azy […]