Tontosa omaly, teny amin’ny efitranon’ny Kolontsaina, Lisea an’Ampefiloha (LMA) ny “Antsa Tononkira”. Hetsika namelomana an-tsehatra ny tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havàtsa Upem. Anisan’ny novelomina ny tonokalon’i Odéam Rakoto, Dox, Célestin Andriamanantena, Rado, Clarisse Ratsifandriamanana, Abel Andriamalala… Ankoatra ny fiantsana sy fihirana ny tononkalo, nisy ihany koa ny fampirantiana ny asa soratr’ireo […]
Taratra
Andro iraisam-pirenena hoan’ny teny ibeazana : “Ezaka hatao ny fampiroboroboana ny fiteny isam-paritra”
Marihina isan-taona ny andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana. Misy ny fanamby ho an’ny fampiroboroboana ny teny malagasy, izay tenindreny, teny ibeazana ho antsika. Manankarena fahasamihafana izany. “Tenindreny, teny mampandroso”, io no lohahevitra nosafidiana nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny, omaly. Nisy ny lanonana tsotra fa manan-danja, nanamarihana izany […]
Ho fiarovana ny zaza malagasy : mila sokafana ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny zatovo
Tanora eo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 24 taona ny 32%-n’ny Malagasy. Efa miroso aloha loatra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo avokoa ny ankamaroan’ny ankizy sy ny zatovo ankehitriny, raha ny zava-misy eto Madagasikara. Noho ny tsy fahampian’ny fanabeazana mahakasika eny anivon’ny fianakaviana sy ny sekoly no anton’izany. Efa miroso sahady amin’ny firaisana […]
VAOVAO TAMBATRA
Manodidina ny 134 004 t ireo vokatra notanterina tamin’ny zotra an-dalamby nandritra ny 10 volana voalohan’ny taona 2023. Nahitana fitomboana hatrany amin’ny 48,89% izany raha oharina tamin’ny taona 2022 izay manodidina ny 90 534 T. Tombony amin’ny zotra an-dalamby ny fandalovany amin’ireo faritra tsy tongan’ny fiara izay manampy amin’ny fitaterana. Hiara-hiasa ny […]
Fitrandrahana antsokosoko: tratra ireo mpanondrana akorandriaka
Mirongatra ao Toamasina ny halatra akorandriaka (corail), sokajiana ho biby anaty ranomasina miendrika vato. Velon-taraina manoloana ny zava-misy ny mpanjono noho izy mitarika ny fahasimban’ny tontolo andranomasina sy ny hazandrano samihafa. Nahazo loharanom-baovao avy tamin’ ny olon-tsotra ny teo anivon’ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (DREDD), faritra […]




