Taratra

Aretina androbe: tsy mifindra fa mila maharitra amin’ny fitsaboana

Antony maro no mety mahatonga ny androbe. Aretina tsy mifindra izy ireny ary mila tohana ny marary mandritra ny krizy tsy hahatsiarovany tena. Mandritra ny herinandro ny fanentanana mo­mba ny aretina androbe, karakarain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mitondra fanazavana mahakasika ny aretina ny minisitera ary milaza fa tsy areti-mifindra ny androbe ary […]

Jono: Malalaka ny fihariana dingadingana

Kitro ifaharan’ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny jono. Midadasika rahateo ny farin-dranomasina ka azo trandrahina tsara ny harena an-dranomasina. Nampaha­fan­tatra ny dingadingana na zanga (Concombre de mer) ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert, omaly, teny Ampandria­nomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fiompiana ity karazana hazandrano ity […]

ONG Indri: Hamorona ala 15 ha any Bongolava

Namolavola tetikasa ny fikambanana ONG Indri ta­min’ny novambra 2023 teo, hamoronana ala any amin’ny faritra Bongolava. Tafiditra ao anatin’ny boky torolalana, ahitana paikady miisa 10 hampahomby ny famerenana ny ala eto Madagasikara ity tetikasa ity. Hanentanana ny mponina sy ny besinimaro hampihatra ny fomba tsara sady hitondra voka-tsoa amin’ny fambolen-kazo […]

GEFP: haloan’ny fanjakana ny TVA 57 miliara Ar

Hiroso amin’ny fandoavana ny tataon-ketra (TVA) mitentina 57 miliara Ar ny fanjakana taorian’ny dinika nifanaovan’ ny Groupement des entreprises franches et partenaire (GEFP) sy ny fanjakana malagasy, ny herinandro teo. Tompon’andraikitra voakasika voalohany sady solontenan’ny sehatra tsy miankina ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra ary ny minisiteran’ny Toekarena […]

Banky iraisam-pirenena: hamatsy vola 4 miliara dolara mahery an’i Madagasikara

Hanome famatsiam-bola mitentina 4 130 000 000 dolara an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ireo tetikasa goavana izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana. Manokana teti-bola mi­tentina 4 130 000 000 dolara ny Banky iraisam-pirenena hamatsiana ireo tetikasa lehibe 26 ao anatin’ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny fampiasam-bola ho an’i Madagasikara (Programme d’investissement de la Banque […]