Tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fivoriana nokasain’ny fikambanana maromaro ao Fandriana, ny 12 febroary teo. Voatery najanona izany noho ny fanakanana nataona palemantera iray. Nanao fivoriana momba ny asa sosialy efa fanaony ny fikambanana maromaro ao Fandriana, ny alatsinainy 12 febroary teo. Ahitana ny zokiolona, ny fikambanan’ny vehivavy 8 marsa, […]
Taratra
Faritra Diana: midina ifotony ny minisitra Fomendraza Haingo Elisette
Manatanteraka ny asa sosialy amin’ireo akany sy ivontoerana any amin’ny faritra Diana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, tamin’ity herinandro ity. Tao amin’ny akany FLM, fitaizana ireo olona marenina, ny tenany nanolotra lamba firakotra sy koveta ary milina fanjairana hahafahan’izy ireo mianatra asa. Miisa 21 ireo […]
Hisorohana ny tondradrano: mitohy ny fanadiovana ny lakandrano
Nitohy ny firotsahan’ny orana eto amin’ny faritra Analamanga, tamin’ity herinandro ity. Mitohy tsy ankiato ihany koa ny asa fanadiovana sy fanalalahana ny lakandrano amin’ny faritra iva sy mora tondraka rehetra, hoy ny Apipa. Miakatra ny rano amin’ireny faritra ireny ka miasa isan’andro amin’ny fanalana ny fako mitobaka sy ny tsikafona […]
Tetikasa « IRF tanora »: Nahazo fiofanana ny tanora eny ifotony
Tontosa omaly ny fiofanana nataon’ireo tanora mpitarika avy amin’ny fokontany 32, ato anatin’ny boriborintany enina, eto Antananarivo Renivohitra. Hetsika ao anatin’ny tetikasa “IRF Tanora”, izay vatsian’ny PBF (Peacebuilding Fund) vola. Iarahan’ny vondrona Unicef sy ny PNUD ary ny UNFPA manatanteraka. Misehatra sy miady amin’ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina ny […]
Fanadinana Bakalorea: manomboka ny fisoratana anarana
Afaka efa-bolana ny fanadinana Bakalorea. Efa fotoana hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra izao. Tsy tokony hiandry amin’ny ora farany ny fanaovana izany. Nanomboka ny 13 febroary teo ary hitohy hatramin’ny 26 avrily ny fisoratana anarana ho an’ireo hiatrika ny fanadinana Bakalorea. Nampahatsiahy izany ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa […]




