Taratra

« L’Amour en mots » : hatsikana sy Slam no hamaranana ny hetsika

Mifarana anio, eny amin’ny Alliance française d’Anta­nanarivo (AFT) Andavamamba, ny «Festival des Livres Romantiques : L’Amour en mots». Hetsika maro samihafa no hita teny an-toerana nandritra ny fotoana nanatontosana ny hetsika, ary mbola hisy izany amin’ity anio ity. Anisan’ny ho hita ao anio ny seho hatsikana, iarahana amin’ny Rire Délire, […]

Mivelatra fa poakaty : miha maivan-danja sy very hasina ny kolontsaina malagasy

Manana ny maha izy azy ny kolontsaina malagasy. Tsy voatery ho endrika ivelany ihany fa na ny fanahy nentina namorona sy nanehoana azy aza, mampivanaka olona maro… Arakaraka ny ivelaran’ireny kolontsaina ireny anefa no mamery hasina azy ankehitriny. Ianarana amin’ny «internet» io dia vita ! Mahatratra aman’alina izao ny mpikambana […]

FANTINA sy FINTINA

Zava-dehibe ny fandrafetana paikady vaovao hiadiana amin’ny kolikoily, araka ny nambaran’ny filohan’ny Kaomity ho amin’ny fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, tamin’ny fitokanana toeram-piasana eny Andohatapenaka, afakomaly. Tapitra amin’ity taona ity ny folo taona, 2015-2025, tamin’ny paikady farany, ka mila jerena ny zava-bita hiheverana ny fanamby vaovao. Voafaritra ho 20 […]

Filohan’ny Sénat tany Maroc : niantso ny mpampiasa vola ho aty Madagasikara

Nahazo fanasana manokana hanatrika ny fihaonamben’ny filohan’ny Antenimie­randoholona avy aty Afrika sy i Amerika Latinina ary ny vondron-tany arabo, izay natao tany Rabat, Maroc, afakomaly ary nifarana omaly, ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, nitarika ny delegasiona malagasy nahitana ny kestoran’ny Antenimierando­ho­lona, ny loholona Fernand Eddie Serge. Tanjona ny […]

Mila fanarenana…

  Mampitampim-bava sy mampiteny ny moana ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Ny olon-dratsy ve no mihamaro sy mihamatanjaka sa ny fanjakana, amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana, ohatra, no tsy maharaka? Na tsy hita loatra ny hoe fanjakana manakaiky vahoaka. Toy izany koa ny hoe mpitandro filaminana miaro ny vahoaka sy ny fananany. […]