Avy any Dubaï dia nihazo an’i Addis Abeba, Ethiopie indray ny filoha Rajoelina sy ny delegasiona miaraka aminy. Namonjy ny fivoriambe faha-37-ny Vondrona Afrikanina, ny 17 sy 18 febroary izao. Hanomboka, anio, atsy Addis Abeba, Ethiopie, ny fivorimbe faha-37 ataon’ny Vondrona Afrikanina (UA). Omaly no tonga any an-toerana ny delegasiona […]
Taratra
TSELATRA
Raim-pianakaviana iray sy vehivavy iray samy azon’ny tsy fahasalamana namoy ny ainy tao amin’ny Hopitaly Androva, omaly. Andro vitsy lasa, nentin’ny tsara sitrapo teny anivon’ny hopitaly ilay lehilahy nefa izao maty izao. Vehivavy iray koa nindaosin’ny fahafatesana, omaly. Niverenan’ny jiolahy novakiana indray ny fasana iray tao amin’ny fokontany Ampananina, kaominina […]
Toamasina : tratra ilay tovolahy nangalatra 42 tapitrisa Ar
Tovolahy 17 taona nangalatra vola, voasambotry ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona tao Toamasina, afakomaly. Nalainy antsokosoko ny vola mitentina 42 tapitrisa Ar. Nitsoaka izy nanomboka ny 8 febroary teo ka namoahan’ny mpitandro filaminana filazana fikarohana. Nitady azy avokoa ny manodidina sy ny mpifanerasera taminy. Tsikaritry ny olon-tsotra […]
Fanafihana mpivarotra: jiolahy iray voasambotra
Tratra ny jiolahy raindahiny tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpivarotra tao Ambolomadinika, Toamasina, ny 14 febroary teo. Niditra an-keriny tao amin’io toerana io ity jiolahy ity sy ny namany, ny talata teo tamin’ny 9 ora alina. Nitondra antsilava sy fitaovam-piadiana izy ireo. Norobain’izy ireo ny poketra teny amin’ilay ramatoa . Tazan’ny fokonolona […]
Namono ny zanak’anabaviny : enina mianaka nidoboka am-ponja
Iray volana taorian’ny vono olona nahatsiravina tao amin’ny kaominina Ambodivoara, distrikan’i Sambava, naiditra am-ponja ireo eni-mianaka anaty fianakaviana iray nahavanon-doza. Vehivavy ny roa tamin’ireo efatra notazonina am-ponja vonjimaika, taorian’ny fihainoana am-bava an’izy ireo teny anivon’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, tao Antalaha, omaly. “Ady lova no nitarika ny vono olona nataon’ireo olona […]




