Fitantanana tanàna na firenena ny hoe politika? Fakana fahefana hahazoana manao izany no antony anaovana politika, antom-pisian’ny antoko politika. Tsy inona fa izay hampiharana ny foto-kevitry ny tena amin’ny alalan’ny antoko politika. Miara-dalana ho azy amin’izany rehefa azo ny fahefana ny fanatanterahana ny vinam-piarahamonina tian-kotratrarina, ny fandaharanasa hahatongavana amin’izany… Tsy […]
Taratra
Fihaonana tamin’ny praiminisitra: nampahatsiahy ny demokrasia ny Vondrona Eoropeanina
Nanao ranolava ny fitsidihan’ireo vahiny. Nandray ny masoivoho vaovao maromaro ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Mahazoarivo. Anisan’izany ny avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE), Isabelle Delattre Burger. Nivoitra tamin’izany ny fanohanan’izy ireo hatrany ny zotram-pampandrosoana eto amintsika. Voatsiahy ny fametrahana ny demokrasia, ny fanajana ny zon’olombelona, ny ady amin’ ny […]
Tselatra
Nitrangana fangalarana niteraka famoizan’aina olona tao Ambalamanasy Toamasina, omaly. Maty tampoka ny mpangalatr’omby iray niditra tao anaty vala. Nodoran’ny herinaratra tamin’ny tsy nampoiziný ity lehilahy voatondro ho jiolahy ity. Vokany, maty tsy tra-drano ity jiolahy ity. Nanantontosa fanazaran-tena mifandraika amin’ny fampiasana ireo fitaovam-piadiana ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa ny zandary […]
Ambatondrazaka : raim-pianakaviana nitambotsotra tampoka
Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray nitsirara tampoka tao Tanambao Ambatondrazaka, afakomaly. Nisy nahita nitambotsotra tampoka teo amin’ny lalana manamorona an’i Tanambao ity lehilahy ity, ny alatsinainy lasa teo. Tsy fantatra mazava izay nahazo azy. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana, araka izany, ireo olona manodidina. Nanao izay ho afany […]
Raharaha Andohan’Ilakaka : nirohotra teny amin’ny tobin’ny zandary ny mponina
Raikitra ny savorovoro tao Andohan’Ilakaka, taorian’ilay vono olona nahatsiravina natao an’ilay renim-pianakaviana, ny alarobia teo. Omaly, nirohotra nihazo ny tobin’ny zandary ao an-toerana ny fokonolona nitaky ny hamoahana ilay lehilahy voalaza ho namono azy. Niely tao an-toerana mantsy fa voasambotry ny zandary ilay rangahy, antony nahatonga ny fokonolona saika hanao […]