Taratra

Toamasina : mpangalatra fiara voasambotra

Tratran’ny mpitandro filaminana teo anelanelan’i Savalaina sy Ambalarondra, RN2, ny lehilahy iray nangalatra taksiborosy, tao Toamasina,  afakomaly. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy tao amin’ny « Gare routière » io fiara io, ny alarobia 7 febroary teo. Nosokafan’ny jiolahy ny varavarana ka lasany io fiara io. Niverina hiditra ao anatiny ny mpamily saingy […]

Mirongatra ny famonoan-tena : raim-pianakaviana telo indray maty tao Toamasina

Tratran’ny famoizam-po tampoka tao anatina trangam-piainana samihafa ireo raim-pianakaviana telo namono tena tao Toamasina, ny talata teo. Trosa tsy voaloa amin’ny banky sy fisaraham-bady no tena anton’izany… Tsy ny tovovavy ihany! Tao anatin’ny herinandro, raim-pianakaviana telo indray namono tena tao Toamasina. Ho an’ny tranga voalohany, raim-pianakaviana 31 taona monina ao […]

Fampiroboroboana ny angovo azo havaozina: misokatra ny antso an-tetikasa ho an’ny FIER

Vahaolana entina hampihodinana ny fiainana andavanandro sy ny tontolon’ny fandraharahana ny fisitrahan’ny tokantrano tsirairay ny angovo azo havaozina. Nampahafanta­rina, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy ny tetikasa «Finance­ment intégré pour les énergies renouvelables » (FIER), tahirim-bola ho an’ny angovo azo havaozina. Te­tikasa hanaovana tohana ara-teknika sy ara-bola ho an’ny sehatra tsy miankina […]

VAOVAO TAMBATRA

Azo ahena 15 andro ny fanaovana tolobidy amin’ny tsenan’asam-panjakana. Tokony ho 30 andro io fe-potoana io, saingy misy ny andinin-dalàna mamaritra io fampihenana io, fa tsy maintsy ankato­avin’ny filankevitry ny minisitra kosa anefa. Anisan’ny antony hanaovana izany ny tranga amin’ny fanaovana asa maika noho ny hamehana. Bankin-tsakafo miisa 10 no […]

Sandam-bola : mitontongana ny vola malagasy

Ain-dehibe ho an’ny firenena ny tanjaky ny vola sy ny toekarena ananany. Singa iray ao anatin’ny fampandrosoana ny toekarena ny tontolon’ny fandraharahana, indrindra ny fanondranana entana any ivelany sy ny famerenam-bola azo avy amin’izany (rapatriement des devises). Mbola ambany anefa io taha io raha ho an’i Madagasikara, anisan’ny antony mampitontongana […]