Anisan’ny harenina ny lalam-pirenena faha-11A, miainga eo Antsampanana (RN2) hatrany Mahanoro. Toraka izany koa, ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Mahanoro. Efa misy orinasa tsy miankina ihany koa manao ny fanadihadiana mahakasika ny lalana mampitohy an’i Mananjary, Nosy Varika, Mahanoro ary Vatomandry. Nanamafy ireo ny minisitry ny Asa vaventy, nandritra ny fandalovany […]
Taratra
Toamasina: Voamboana 341 sy hazoala 264 tratra
Mitohy foana ny fandripahana ny harena voajanahary. Tra-tehaky ny zandary ny 27 desambra teo koa, tany Antaratasy Ivoloina, Toamasina, ny kamiao miisa telo nitondra hazo tsy ara-dalàna. 341 ny voamboana nentiny sy hazoala nanto miisa 264. Sambo avy any Mananara Avaratra no nitondra ireo hazo ireo, ary nampidirana tanaty kamiao […]
Kaominina Toliara: Hiteraka asa maro ho an’ny rehetra ny Base
Fanapahan-kevitra lehibe avy any amin’ny fanjakana foibe ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara. Anisan’ny hisitraka ny tombontsoa haterany ny kaominina an-dRenivohitra Toliara. Nanamafy ny ben’ny Tanàna Toliara (CUT), Dédé Vita Sidison, fa anisan’ireo kaominina miisa dimy hanokafana indray ny Base Toliara ny ao Toliara an-tampon-tanàna. Azony antoka fa hisitraka […]
Fitaterana: Hisy tetikasa hametrahana lalamby vaovao
Laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny hampiroborobo ny sehatry ny fitaterana. Hisy, araka izany, ny tetikasa hanaovana lalamby vaovao ho an’ny taona 2025. Tanjona ny hampanjary ny toekarena amin’ny alalan’ny fampivoarana ny sehatry ny fitaterana an-dalamby. Ny herinandro teo, nihaona tamin’ireo tomponandraikitry ny sampandraharaha misahana ny fitaterana […]
Vanim-potoan’ny fety: Arahi-maso ny vidin’entana sy ny kalitaony
Hentitra amin’ny fanaraha-maso ny tsena ny avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Tanjona ny hiarovana ny mpanjifa manoloana ny mety ho fanararaotana amin’ny endriny samihafa. Miparitaka manerana ny Nosy ireo mpanara-maso ka jerena akaiky ny entana amidy mba ho entana tsara kalitao. […]