Taratra

Fampianarana: miverina ny sekoly miangatra, hoy i Lanto Ratsida

Miorina isaky ny elakelantrano ny sekoly tsy miankina. Ihazakazahan’ny ray aman-dreny izy ireny. Maneho ny fahamaivanan’ny sekolim-panjakana sy ny tsy fahampiany izany. Lavitra ny elanelana misy. Miverina ny sekoly mi­angatra raha ny fanehoan-kevitry ny tompon’andraikitry ny observatoire de la jeunesse, Lanto Ratsida. Niova endrika anefa izany akehitriny satria tsy ny […]

« Fetin’ny mozika »: Nampiaina gadona maroloko

Efa tafapetraka eto Mada­ga­sikara ny fankalazana. Na fety vahiny aza no niatombohany, efa aman-taonany maro izao no nankalaza ny «Fetin’ny Mo­zika» isaky ny 21 jona isika. Tsara fitontona rahateo, satria nianjera tamin’ny faran’ny herinandro ny fankazalana tamin’ity, ka nanan-tsafidy maro ireo mpankafy mozika. Mozika ma­rolafy, gadona maroloko ary tena nanasongadina […]

« STAR Tour Tanà 2026 »: 3 andro rakotra mpifety ny Coliseum

Tsy sakana ny andro nangatsiaka. Vao mainka nafana aza ny 3 andro, niarahan’ny mozika, kilalao, fanentanana isan-karazany. Fetim-pianakaviana. Izay no tena nezahana na­songadina tamin’ny «Star Tour Tanà». Na izany aza, tsy lavina fa tonga maro noho ny fiarahan’ny fampisehoana, ny fanentanana isan-karazany fa indrindra ny zava-pisotro amin’ny toerana iray ireo […]

Fandaharanasa: Défis Mahatratra 13 500 ha ny lemaka voajary

Nanomboka ny taona 2018 ny fandaharanasa Défis, ary ny taona 2024 ny andiany faharoa, Défis+, izay hifarana amin’ny taona 2030. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo (MiASA). Mitentina 150,8 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, ka avy amin’ny FIDA ny 97 tapitrisa dolara, raha 53,9 tapitrisa dolara avy amin’ny […]