Vonona hanohana ny tanora mandraharaha eo amin’ny sehatry ny Kolontsaina sy ny famoronana (ICC) ny Zafy Tody sy NextA amin’ny alalan’ny fandaharanasa «Hasina Youth Bootcamp». Hetsika hatao ny 8-11 jolay eny amin’ny Cité des Cultures, Antaninarenina. Kendrena ny hanofanana tanora miisa 30 ka ahafahan’izy ireo manova hevitra ho lasa tetikasa […]
Taratra
Fantina sy fintina
Hanasa ireo olo-manan-kaja eny Iavoloha ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika raha tsy misy ny fiovana ny zoma 26 jona izao. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena izany. Tsy mbola fantatra anefa aloha ireo antsipiriany momba izany sy ireo voaasa amin’izany fiaraha-misakafo, aorian’ny matso eny Mahamasina. Nanao veloma ny Nonce Apôstôlika, ny […]
Fakan-kevitra
Andrasana fatratra amin’izao ny fakan-kevitra amin’ny fikaonandom-pirenena. Misy ny efa tsindrin-daona fatratra, ao ny vonona dia vonona… Teo rahateo ireo nahavita fikaonandoha ho azy manokana, na isan-tsehatra na sokajy. Hanao ahoana? Tsy ilaozan’izay ahiahy tsy ihavanana: rahoviana marina no hanomboka, ahoana ny fandaminana, ny fomba fiasa… ? Tsy moramora na […]
Hetsika Rohy “Mahaela ny vahaolana ny fahataran’ny fikaonandoha”
“Mety mahataraika ny vahaolana ny fiandrasana na fahataran’ny fanombohan’ny fikaonandoham-pirenena sy ny paikady hametrahana azy ho amin’ny fanavaozana andrandrain’ny maro amin’ny fitantanam-pirenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny tale mpanatanteraky ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, teny Ambatonakanga ny faran’ny herinandro teo. Rehefa anontaniana, ohatra, ny tokony handravana an’ireo rafitra tsy mahomby amin’ny […]
Fikaonandoham-pirenena: hanara-maso ny fampiharana ny fehinkevitra ny FFKM
Efa manangasanga. Nambaran’ny minisitry ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra fa efa mizara avokoa ny andraikitra amin’ny hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. «Hiandraikitra ny fanangonan-kevitra sy ny fanaraha-maso ary ny fampiharana ny fehinkevitry ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM», hoy izy. Hatao eto Antananarivo ny fampahafantarana ny fehinkevitra tapaka rehetra. Tombanan’ny mpikarakara fa hovitaina, […]





