Taratra

Tournoi Mpikitra Sab-Nam: hiady ny famaranana ny FSN sy ny Manjakalalao

Hifarana ny alahady 27 novambra ho avy izao, eny amin’ny kianja Herisetra Sabotsy Namehana, ny «Tournoi», karakarain’ny fikambanana Mpikitra sy ny kaominina Sabotsy Namehana, ho an’ny sokajy zokiny, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny FSN (Firaisan’ny Sabotsy Namehana) sy ny Manjakalalao. Homena lelavola 1 tapitrisa Ar sy medaly volamena ary […]

Basikety-BAL Elites 16: hifandona amin’ny City Oilers Ouganda ny Cospn, anio

Hanomboka, anio, any Cape Town Afrika Atsimo, ny dingana faharoa ny fifanintsanana amin’ny fifaninanana BAL (Basket ball Africa League), taranja basikety, ho an’ny vondrona F. Hiakatra an-kianja, anio 22 novambra, amin’ny 11ora sy sasany antoandro, ny ekipan’ny Cospn, miatrika ny fifaninanana Elites 16, dingana faharoan’ny fifanintsanana amin’ny BAL (Basket Ball […]

Fikoloana endrika amam-bika: hanome kalitao avo lenta ny tanora mpandraharaha 

Miroso manome tolotra avo lenta ho an’ny mpanjifa ny mpandraharaha tanora amin’izao fotoana izao. Mitaky fahasahiana sy fahavononana anefa izany satria ilana fahaiza-mitantana  mba haharitra ilay fandraharahana atao, hoy i Francia Martinez. Nisehatra tamin’ny fandraisam-bahiny sy ny fizahantany tany ivelany (Frantsa- Thailande…) izy teo aloha fa niverina an-tanindrazana ary nisafidy […]

Centre Arrupe Madagascar: miady amin’ny herisetra

Ao anatin’ny fiofanana mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana sy ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy ny eo anivon’ny Centre Arrupe Madagascar, amin’izao fotoana izao. Fiofanana mandritra ny  hefarana izay hifarana ny 23 novambra 2022 izao, tanterahina eny amin’ny Village Aina Benasandratra.  Tanora 49 anatina fikambanana maro […]