Taratra

Fiakaran’ny renirano : 16 ny traboina ao amin’ny kaominina Ampitatafika

Vokatry ny fiakaran’ny rano, manana traboina 16 ny kaominina Ampitatafika saingy efa lasa nody omaly ihany, araka ny fanazavana azo. Tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny vedety ny solombavambahoaka sy ny tomponandraikitry ny Corps de protection civile (CPC) ary ny BNGRC, ny alin’ny talata, nijery ny zava-nisy teny an-toerana. Ho an’ny […]

“YALI RlC” any Dakar : Malagasy tanora 11 no voafantina

Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina ireo Malagasy tanora 11 mianadahy voafantina ho ao anatin’ny andiany faha-23 handray anjara amin’ny fiofanana “YALI RlC”, hatao any Dakar, Senegal. Hita any amin’ny toeram-pampianarana ambony any Kenya, Afrika Atsimo, Ghana ary Sénégal ny “YALI RlC”. Manolotra fandaharam-piofanana ho an’ireo tanora mpitarika eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny […]

Famosirana vokatry ny fanolanana : maneho ny heviny Ratsida Lanto, mpandinika fiarahamonina

Lany ary hampiharina ilay lalàna momba ny famaizana ny mpanolana. Niresaka momba izany i Lanto Ratsida, mpandinika fiarahamonina. Tsy maintsy jerena akaiky ny vokatra ara-piarahamonina amin’ny fampiharana ny lalàna momba ny famosirana sy ny sazy ho an’ireo mpanolana, hoy ny mpandinika fiarahamonina, i Lanto Ratsida. Mila fanadihadiana lalim-paka izay mifototra […]

Antoko Monima: “Tsy tanteraka ny fitakiana tamin’ny 2009”

Anisan’ireo nametraka fehezam-boninkazo fahatsiarovana ny faha-15 taonan’ny 7 febroary tetsy Antaninare­nina ny eo anivon’ny Monima, omaly, amin’ny alalan’ny mpitarika, i Monja Roindefo. Nambarany fa mbola mijoro hatrany izy ireo hatramin’izao. “Tsy misy tanteraka ny tolona sy ny fitakiana tamin’izany”, hoy izy. Notanisainy ny tsy mbola fipetrahan’ny demokrasia mivantana eo amin’ny […]

Randriamasinoro Ny Rina: « Ilaina ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana »

Nitondra fanazavana sy fanentanana mahakasika ny maha zava-dehibe ny fisora­tana sy fanamarinana ny anarana anaty lisi-pifidianana, Randriamasinoro Ny Rina, sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara (Tim), omaly. “Ilaina ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidinana, ahafahana manintsy amin’ny ampahany izany lisitra izany. Io lisitra io izay nahitana tsy fahatomombanana maro nandritra ny […]