Taratra

Ho voky !

Nankalaza ny andron’ny alakamisy masina ny mpino kristianina, omaly. Andro namoronana ny eokaristia masina, izay marika famantarana mandraka ankehitriny fa miaraka amin’ireo mpino azy hatrany i Jesoa Kristy. Andro lehibe ho an’ireo manara-dia azy izany, satria fanamafisana ny fifamatorana. Mofo sy divay, na vatana sy ran’i Kristy, famantarana ny fitahiana […]

Tambajotra Gool Den Team : mpianatra 25 voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo tanora mpametaveta tovovavy virijiny sy mpidoroka zava-mahadomelina ao Toamasina. 22 ireo mpianatra voasambotra miampy ireo telo lahy mpitarika. Tsy mety fay mihitsy! Tsy niandry ela fa taorian’ny fitsirihana ireo kizo ahina fa misy ny fiafe­nan’ireo zatovolahy mivondrona ao anatin’ny fikambanana mpametaveta ankizivavy virijiny “Gool Den […]

Analamahitsy : mpanendaka niharan’ ny fitsaram-bahoaka

Nanantena hahazo mora ny hatsembohan’ny sasany ! Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpanendaka iray voasambotry ny fokonolona tetsy Analama­hitsy, afakomaly hariva. Mi­andry ireo mpandalo mandeha an-tongotra anatin’ny lalana maizina mampitohy an’ Anala­mahitsy sy Nanisana ireto olon-dratsy ireto. Niisa telo izy ireo no nikasa hanao ny asa ratsiny. Sendran’ny fokonolona, nataon’ireto farany […]

Fiatrehana ny fetin’ny Paka… : polisy 1 580 hisahana ny filaminana eto Analamanga

Polisy manodidina ny 1 580 indray hisahana ny filaminana eto Analamanga mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka sy ny alatsinain’ny Paka ho avy izao. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, 200 ireo polisy manara-maso eny amin’ireo fiangonana. Ho an’ny Avaradrano indray, 152 ireo polisy hahetsika ka 32 misahana eny amin’ny fiangonana raha […]

Nandritra ny volana marsa : olona 163 tratra nanao fandikan-dalàna

Nahitam-bokany ny hetsika nataon’ny polisy nandritra iny volana marsa iny. Olona 352 no natao fanadihadiana ka ny 163 amin’ireo tratra noho ny fandikan-dalàna. Olona roa maty voatifitry ny polisy rehefa avy nanatanteraka halatra mi­tam-piadiana. Ho an’ny halatra mitam-piadiana, olona enina tratra nanao izany ka ny efatra amin’ireo tratran’ny polisy raha […]