Nisokatra ny taona 2013 ny tranombarotra Cosmos, misehatra amin’ny fivarotana kojakoja madinika sy vaventy ao an-tokantrano. Nikarakara lalao «Tombola» ity orinasa ity, tany amin’ireo magazay miisa 18 manerana ny tanàn-dehibe eto amin’ny Nosy, ny 6 desambra 2023 hatramin’ny 14 janoary 2024. Afaka nandray anjara daholo ny mpanjifa nividy kojakoja tao […]
Taratra
Tsy matimaty fahatany
Nanamarika ny andron’ny 7 febroary, omaly, ny mpitondra fanjakana sy ny fianakavian’ireo namoy ny ainy, 15 taona lasa izay. Nangorom-potsy toy ny fanao isan-taona teny Ambohitsorohitra, nandritra ny fotoana nanateram-boninkazo. Nifoha indray ny tsiahy ny ra nandriaka sy ny aina nafoy noho ny fitakiana fanovana sy fiovana tamin’ny fitantanana […]
Nikela sy kobalta: mitotongana ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena
Nidina hatrany amin’ny antsany ny vidin’ny nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nanomboka ny taona lasa teo. Vokatry ny zava-misy maneran-tany izay miantraika amin’ny sehatry ny toekarena izany. Tsy nitsaha-nitotongana ny vidin’ny nikela sy kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nanomboka ny volana janoary 2023. Nidina hatrany amin’ny antsasa-bidy ihany […]
TSELATRA
Lehilahy iray hita faty tsy nisy voamaso tao Antanimieva, distrikan’i Morombe, omaly. Niharan’ny vono nataon’ny mpangala-boamaso io raim-pianakaviana io. Mpandalo no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakany ka nampandre ny manodidina. Manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tanora dimy lahy mpikambana anaty fikambanana mpanakorotana naiditra am-ponja ao Antsiranana, afakomaly. Ivondronan’ireo […]
Telo lahy tratra: 10 000Ar ny tangozana katy eny 67 ha Avaratra
Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana afakomaly, ireo telo lahy voarohirohy ho nanao trafikana zava-mahadomelina katy. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina Anosy (Stup) teny 67 ha Avaratra, ny 5 febroary 2024 teo, izy telo lahy voarohirohy ireo noho ny fivarotana katy. Maro […]




