Notanterahina teny amin’ ny American Corner Antananarivo ny fampianarana manao fikarohana avo lenta amin’ny tambajotra internet, nataon’i Marcy Carrel, talem-paritry ny fifandraisana amin’ny daholobe, ao amin’ny masoivoho amerikanina. Nasehon’i Marcy Carrel an’ireo mpitantana ireo ny fomba fampiasana ny karazana antontanisa sy antontan-kevitra maimaim-poana, ao amin’ny eLibraryUSA. Ahitana asa fikarohana avo […]
Taratra
Vokatry ny fisotroana toaka : 0,5% ny zaza voan’ny aretina eto Madagasikara
Ambony ny tahan’ny zaza marary eto Madagasikara raha oharina amin’ny maneran-tany. Vokatry ny fisotroan’ny reny mitondra vohoka sy mandritra ny fampinonoana, toaka izany. Misy fiantraikany amin’ny vatany sy ny atidohany ary ny toe-piainan’ny zaza izany, raha ny nambaran’ny mpitsabo. Zaza 1 hatramin’ny 3 amin’ ny arivo ny zazakely tratran’ny aretina […]
Fampandrosoana : nanolotra vinam-piarahamonina vaovao Ny Fireneko
“Afa-mandroso ho amin’ ny tsaratsara kokoa isika. Tsy mbola very na resy i Madagasikara. Porofon’izany, be dia be ny vahiny tonga eto. Ny vahiny mandroso, fa ny Malagasy mihemotra”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Ny Fireneko, i Paul Rabary, teny Antaninarenina, omaly. Tsy afa-kijery fotsiny izany ny antoko Ny Fireneko, […]
Fifidianana : hampiantso fikaonandoha indray ny Ceni
Tsy mbola mifarana eo. Hiditra amin’ny dingana manaraka amin’ny famoriana ireo mpiantsehatra politika rehetra indray ny eo anivon’ny Ceni, ato ho ato, araka ny nambaran’ny tale kabinetran’ ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity, Andriamifidy Jean Louis, omaly. Nambarany fa iarahana mijery amin’izany ny fomba hanatanterahana ireo tolokevitra voaray tamin’ilay fihaonambe, […]
Famoriam-bahoaka ankalamanjana : mitaky ny hampitsaharana ny sakantsakana ny Tim
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny RMDM sy ny Tim ary ny avy amin’ny antoko Kintana, manoloana ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Atitany. Notsiahivin’izy ireo fa nomena baiko ireo solontenam-panjakana tsy hanome alalana intsony ny famoriam-bahoaka eo amin’ny politika ankalamanjana. “Manainga ny governemanta izahay handray ny fepetra rehetra hampitsaharana ny famerana […]