Atao eto Antananarivo, omaly sy anio, ny atrikasa momba ny fiaraha-miasan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny fanjakana malagasy. Voakasik’izany ny tombana ny Fandaharanasa fiaraha-miasa (CPD) ho an’ny taom-piasana 2021-2023 sy ny vinavina ho an’ny taona 2024-2028. Nisolo tena ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola (MEF), […]
Taratra
PGE-Harena an-kibon’ny tany : orinasa roa lehibe vinavinaina hisokatra amin’ity taona ity
Nanazava ny Fandaharanasa ankapobeny ny fanjakana (PGE), teny amin’ny Antenimiera roa tonta, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny navoitrany fa hisy tetikasa roa lehibe mikasika ny harena an-kibon’ny tany amin’ity taona ity, ary manodidina ny 20 ato anatin’ny 5 taona ho avy. Anisan’ny vinan’ny fanjakana hivoaka ato anatin’ny tanjona 100 andro […]
TARATRY ny KANTO
“Talent show”, eny amin’ny Centre Arrupe Magagasikara. Eny Faravohitra ity hetsika ity, anio atoandro, manomboka amin’ny 12 ora sy sasany. Vahiny voalohany mandritra ny hetsika i Navin, mpamoron-dihy sy mpandihy ary mpihira. Hitafatafa sy hitarika ny dihy koa ity mpanakanto ity mandritra izany. Maimaimpoana ny hetsika. “Silo Quartet – No […]
Tontolon’ny soratra: voafidy ireo hitondra ny Malagasy Manoratra
Nifarana tamin’ity volana febroary ity ny fe-potoana niasan’ny birao nasionaly ho an’ny fikambanana Malagasy Manoratra, notarihin-dRakotoarimanana Sandanomena, filoha teo aloha. Niroso tamin’ny fanavaozana ny birao izy ireo. Voafidy ho eo amin’ny toeran’ny filoha nasionaly, ny alahady 4 febroary teo, i Njarasoa RA. Voatazona ho sekretera jeneraly i Nah Haja raha toa […]
Vakok’Arts Trano –Toliara : mizara ny traikefany Rajery
Efa any Toliara ry Rajery sy ny ekipany, nanombokany alatsinainy teo. Omaly talata, efa nitarika ny fihaonana amin’ireo mpanakanto any an-toerana, izay liana amin’ny mozika miaina ity andrarezin’ny valiha ity. Fizarana traikefa kokoa fa tsy fampianarana no nentin-dRajery. Maro ireo manan-talenta any Toliara, indrindra ireo mpanakanto mifanerasera ao amin’ny Vakok’Arts […]




