Taratra

Safotra tampoka teny an-dalana : raim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana

Raim-pianakaviana iray 54 taona hitan’ny olona safotra teny an-dalana tao Mangarivotra Atsimo, omaly. Nisy nanatitra tao amin’ny Hopitalibe Toamasina izy saingy tsy avotra intsony ny ainy. Raha ny fanadihadiana voaray, nandeha teny an-dalana izy ka nidaraboka tampoka ka hitan’ny fokonolona. Nivilana ny vavany sady nilefitra ny tanany. Niezaka ireo nanatri-maso […]

Misamboaravoara

Mbola anatin’ny fotoam-pahavaratra hatrany ny eto an-drenivohitra, ankehitriny. Mijohy ny orana amin’ny faritra maro, hany ka mananosarotra ny fifamoivoizana. Dibo-drano ny toerana iva. Miaina anaty petsapetsa ny « ambanitanana ». Zava-doza, mitsi­kafona manerana ny tanana ny diky. Milomano anaty loto tanteraka ny mponina. Ankoatra izay, feno fandrika amin’ny lavaka ny arabe. Mahita […]

Haintrano : “Prise” tsy voatsoaka, nirehitra ny trano

Hadinon’ny tompon-trano ny nanala ny “prise”mitarika ny herinaratra, omaly! Vokany, may ny trano, hotohoto ny entana rehetra teny Antanety Avaratra, Ambo­himanarina. Trano rihana iray kilan’ ny afo tao Ambohima­narina, omaly maraina tamin’ny 9 ora. “Hadino ny na­nala ny prise tamin’ny milina fanjaraina ka niteraka ny court-circuit”, hoy ny tompon-trano. Tsy […]

Maibahoaka Ivato : jiolahy nahatrarana basy roa sy bala

Tra-tehaky ny zandary ny jiolahy iray niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika roa tetsy Maibahoaka Ivato, afa­komaly. Nahatsika­ritra io lehi­lahy io naneho fihetsika hafahafa ny olona teny amin’ny manodidina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony nanao ny fanamarinam-baovao ireo farany. Sarona teny aminy tokoa ny basy poleta iray. Nahitana bala […]

Nahavita 96 050 000 Ar… : telo lahy tratra nanao vola sandoka

Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy momba ireo telo lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanamboarana vola sandoka tratra tao Mananjary, afakomaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary no nahasambotra azy ireo taorian’ny fikarohana. Niainga avy ta­min’ny loharanom-baovao voarain’ny polisy no nahafantarana ny fisian’ireto olona ireto manamboatra vola sandoka ao Mananjary. […]