Mbola mandeha ny adihevitra. Nanazava ny fahitany ny hiatrehana ny fifidianana anakiroa ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena Safidy. “Tsy misy ny lalàna manakana ny fampiarahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana depiote no tsy azo ampiarahana”, hoy ny mpitondra tenin’ny Sampana […]
Taratra
TSELATRA
Mpirahavavy 6 taona sy 11 taona samy niha ran’ny fanolanana tao Dzamandzar Ampasy, Nosy Be, afakomaly tamin’ny 4 ora maraina. Mpitondra Bajaj ny rain’izy mirahavavy ireto ka niasa alina. Nidiran’ny tsy mataho-tody anefa ny trano ka voaolana ireo zanany mirahavavy. Lehilahy iray nangalatra fahitalavitra naiditra am-ponja etsy Antanimora, ny alatsinainy […]
Vaky fasana: razana iray sisa navelan’ny olon-dratsy
Mirongatra indray ny vaky fasana, tato ho ato, raha somary efa nangingina izany teo aloha. Lasan’ny jiolahy ny razana rehetra tao am-pasana, tamina fasan-drazana iray eny Ambohidava Ambatolampy Tsimahafotsy, afakomaly. Novakin’ireo olon-dratsy ny fasana ka notetezin’ireo ny razana tao am-pasana. Lasan’ireo mpangalatra avokoa ny taolambalo rehetra. Tsy vitan’izay fa naparitak’izy […]
Tsy nety nandray ny rainy: zazakely marary narian- dreniny tao amin’ny hopitaly
Mampivarahontsana ! Izay no azo ilazana ny zava-niseho tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, omaly. Zazakely menavava antsoina hoe Tafitasoa Angelico, vao iray volana monja no narian-dreniny (avy any Ambositra) tao amin’ny efitra fidiovana. Raha ny fampitam-baovao, tsy salama io zazakely io ka nentina tao amin’ny dokotera misahana manokana ny fitsaboana zazakely […]
Fahafatesana hafahafa : tovovavy maty nihantona tao an-tranony
Maty nihantona tao an-tranony i Marinah, vehivavy 20 taona, afakomaly maraina. Ahina ho namono tena noho ny famoizam-po izy. Nifatotra tady teo amin’ny tendany. Hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany ny tovovavy iray 20 taona, omaly. Monina ao Tsararano ambany, Mahajanga izy. Vao afaka bakalorea ny taon-dasa, araka ny […]




