Lahiantitra 62 taona voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ankiririky Avaratra, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nanolana zazavavy vao 15 taona monja io tsivalahara io. Nentiny tao an-trano ilay ankizivavy ka nokasainy hanamparana ny filan-dratsiny. Niverina tampoka anefa ramatoa vadin’io lehilahy io ka tratra ny fikasan-dratsiny. Nosamborin’ny fokonolona ilay lahiantitra ary natolotra ny […]
Taratra
Nahantona tamin’ny tady : ahina novonoin-drainy i Andriano
Ny rainy ihany no ahina ho tompon’antoka nahafaty an’i Andriano, zazalahy kely vao 5 taona, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Mangana ny vatany, nohosena tamin’ny kiraro, nahantona tamin’ny tady ny tendany. Maty nisy namono tao an-tranon’ny renibeny, i Andriano, zazalahy kely vao dimy taona, ny sabotsy tolakandro. Nivoaka nividy zavatra […]
Fahasimban-dalana : niverina ny fifamoivoizana Antsohihy-Mandritsara
Niantraika tamin’ny lalana maro eto amintsika ny rotsakorana nisesy amin’izao fotoam-pahavaratra izao, indrindra ny any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Anisan’ izany ny fahatapahan’ny lalam-pirenena RN32, nandritra ny ora maromaro, mampifandray an’Antsohihy sy Mandritsara, PK26, any amin’ny kaominina Ampombolava. Nanampy trotraka ny fahasimbana ny tsy fisian’ny fantsom-be (buse) ao ambany […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa vita ny fanarenana eo amin’ny lalam-pirenena RN4, sampanan-dalana Anjajia, PK437. Eo koa ny fanamboarana ny tetezan’Antanambao Andranoava, PK498+400, sy ny tetezamby eo Mangapaika, PK 505. Manampy ireo ny fanarenana ny lalana eo amin’ny PK466, akaiky ny tananan’i Beforona. Vita ny 1 febroary teo ireo asa ireo, avy amin’ny tetikasa […]
Nosy Be : fiofanana fiompiana trondro
Anisan’ny faritra manana loharano ny any Nosy Be. Misy ny paikady raisin’ny fanjakana entina hampiroboroboana ny fiompiana trondro. Mampiavaka azy, maimaimpoana ny fiofanana satria tanjona ny hahafahan’ny rehetra hisehatra amin’ ny lalam-pihariana trondro. Maromaro ny fandaharam-potoana any Nosy Be. Misy ny fiofanana ho an’ny fiompiana trondro an-dobo, ny fanatavezana trondro, […]




