Tafiditra amin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny hetsika momba ny ady amin’ny fifohana zava-mahadomelina tetsy amin’ny Tranompokonolona , nandritra ny telo andro. Nifarimbona ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny Ofnalat sy ny Saf Ocean Indien nanao ny hetsika. Hatry ny talata teo no […]
Taratra
Onjampeo: telo taona ny Iarivo Radio
Tonga nanamarika ny fankalazana ny fahatelo taonan’ Iarivo Radio, teny Tsimbazaza ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina, omaly. Ny taona 2020 no niverina nisokatra ny Radio an’Iarivo fa efa nisy ity onjampeo ity tamin’ny fitantanana teo aloha nifandimby. Nosokafana indray ny onjampeo hifaneraseran’ny mpitantanan’ Antananarivo sy ny mponina amin’ny tsara ho […]
Rakotondrazanany Stacy, « psychologue »: “Miainga ao an-tokantrano ny fikojana ny fahasalaman’ny saina”
Tokony ho laharam-pahamehana eo amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fahasalaman’ny saina. Lohahevitra tsy resahana matetika nefa mahakasika olona maro eto amintsika ny fikorontanan’ny saina, ny fahakivian-tsaina tanteraka (dépression) ary ny rarin-tsaina (stress), hoy ny psychologue sady mpanolontsaina teknika momba ny fahasalaman’ny saina eo anivon’ny ONG Humanité £ Inclusion (HI), Rakotondrazanany Stacy, rehefa […]
Antoko Hiaraka isika : haneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena
Hanatanteraka ny kongresy nasionaly, voalohany, ny antoko Hiaraka isika. Homarihina ao anatin’izany koa ny fahadimy taona nijoroan’ity an-toko, naorin’ny Jly Camille Vital ity. Hanomboka ny 12 hatramin’ny 15 avrily izao any Toliara izany. Anisan’ny hisongadina ny handinihan’izy ireo ny fiainana anatin’ny antoko. Eo koa anefa ny hanehoan’ny Hiaraka isika ny […]
Fiaraha-miasa : hanohana ireo kaominina ny loholona Frantsay
Noraisin’ny loholona, notarihin’Andrianandrasana Hajaniaina Tahina, tetsy Anosikely ireo loholona Frantsay, notarihin’i Olivier Cadic, omaly. Voaresaka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, indrindra eo amin’ny samy Antenimierandoholona. Niompana amin’ny fanomanana ny fihaonambe hiarahan’ny loholona sy Malagasy mpandraharaha, andaniny sy amin’ ireo loholona miaraka amin’ ny Frantsay mpandraharaha ankilany […]