Tsapa ho somary ambanin-javatra ny fitarihana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina VIH/Sida teto Madagasikara. Nanavao fomba fiasa, araka izany, ny ONG Mad’Aids, manomboka izao. Nanavao ny fomba fiasa hanatsarana ny fandraisana an-tanana sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina VIH/ Sida eto Madagasikara, ny ONG Mad’aids. Tambajotra tokana ivondronan’ny fikambanana 35, […]
Taratra
Sambo lehibe fitsaboana Mercy Ships: hitsabo ny fandidiana rehetra amin’ny sarany maimaimpoana
Nigadona ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina, afakomaly maraina, ny sambo lehibe fitsaboana antsoina hoe « Mercy Ships ». Handray an-tanana sy hitsabo maimaimpoana ny marary, mandritra ny roa taona hijanonany ao an-toerana izy io. Hifantoka amin’ny fandidiana amin’ny endriny maro samihafa. Toy ny karazan’ aretina fivontosana, katarakta, “hernie”, bingon-tongotra na tanana, sima […]
Minisitra Fomendraza Haingo Elisette: naneho firaisankina tetsy amin’ny HJRA
Nitsidika sy namangy ilay tovovavikely vao 5 taona monja naolan’ny zokiny ka manaraka fitsaboana etsy amin’ny HJRA, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, tamin’ity herinandro ity. Marary sy mijaly izy, simba ny hoaviny, mampalahelo satria zokiny lahy 21 taona no nanao izany. Rehefa naheno izany ny […]
Fametahana lalana rarivato Hanofana tanora 800 ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa
Miteraka rohim-pihariana ny famakiana vato ka ho lasa asa fiveloman’ny tanora vita fiofanana omen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hisitraka fiofanana avokoa ny faritra rehetra hitondra fampandrosoana amin’ny fanatsarana ny lalana ho lasa rarivato (pavé). Manana toerana ahitana vato betsaka i Madagasikara. Azo havadika ho rarivato, hanamboaran-dalana izany ka […]
Indray mijery
Hiverina ny oram-baratra manerana ny Nosy manomboka rahampitso hatramin’ny alatsinainy. Ambany, amin’ny ankapobeny, ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra teto Antananarivo, nandritra ity herinandro ity. Ho an’ny telo andro ho avy, vinavinaina ho ambany, amin’ny ankapobeny, ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra. Tonga teny amin’ny “Amphithéâtre Ampefiloha et Annexes” ny tomponandraikitra androany zoma 2 […]




