Polisy manodidina ny 1 580 indray hisahana ny filaminana eto Analamanga mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka sy ny alatsinain’ny Paka ho avy izao. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, 200 ireo polisy manara-maso eny amin’ireo fiangonana. Ho an’ny Avaradrano indray, 152 ireo polisy hahetsika ka 32 misahana eny amin’ny fiangonana raha […]
Taratra
Nandritra ny volana marsa : olona 163 tratra nanao fandikan-dalàna
Nahitam-bokany ny hetsika nataon’ny polisy nandritra iny volana marsa iny. Olona 352 no natao fanadihadiana ka ny 163 amin’ireo tratra noho ny fandikan-dalàna. Olona roa maty voatifitry ny polisy rehefa avy nanatanteraka halatra mitam-piadiana. Ho an’ny halatra mitam-piadiana, olona enina tratra nanao izany ka ny efatra amin’ireo tratran’ny polisy raha […]
Manjakandriana : mpanao vola sandoka roa lahy nidoboka am-ponja
Nafangaron’ny olon-dratsy tamin’ny vola tena izy, nampiasainy nividianana kisoa ny vola sandoka. Tra-tehaky ny zandary izy ireo ka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Mody nanao trosa vidina kisoa, naiditra etsy Antanimora vonjimaika ireo roa lahy nanaparitaka vola sandoka tao Ambohitrandriamanitra, distrika Manjakandriana, afakomaly. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny olon-tsotra […]
MDN : voatendry ho talen’ny kabinetra ny Jly Bearson
Tontosa omaly teny amin’ ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny kabinetra teo aloha, ny Jly Rajaonarivony Alexandre sy ny tale vaovao, ny Jly Andrianaivohery Bearson. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka no nanatanterahana izany. Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Razafindratovo […]
Fari-dranomasina sy sisintany : manamafy ny fanaraha-maso ny APMF
Nohamafisin’ny eo anivon’ ny APMF ny fanaraha-maso ny fiaingan’ny sambo eny anivon’ny seranan-tsambo ara-dalàna. Nampihena ny loza an-dranomasina teny amin’ny seranan-tsambo ofisialy izany, araka ny fanambarana nataon’ izy ireo. Teo koa ireo fepetra noraisin’ny ladoany ka nahatrarana ireo trafika na teny amin’ny seranam-piaramanidina io na teny amin’ny seranan-tsambo. Manampy izany […]