Mifanohana ny samy mpanao fanatanjahantena. Noporofoin’Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha izany, tamin’ny fanolorany fitaovana ho an’ireo mpilalaon’ny Makis vehivavy hiatrika ny “Mondiaux 2022”. Na ny sehatry ny baolina kitra aza no nahalalana an’Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar teo aloha, tsy nanisy elanelana tamin’ireo taranja hafa ny […]
Taratra
Rallye du Boeny: Mpanamory 33 hiady lohany
Hotanterahina any Mahajanga, ny 12 ka hatramin’ny 14 aogositra ho avy izao, ny andiany faha-16 amin’ny Rallye du Boeny, karakarain’ny Team Gojanga. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja familiana fiarakodia. Mahatratra 33 ireo mpanamory hifaninana sy hiady ny lohany amin’ity. Anisan’izany, i Mathieu (zaza maditra) sy i Andry […]
Tovolahy voatifitra tao Tanambao Verrerie :”Tsy jiolahy ny havanay…”, hoy ny fianakaviana
Nitondra fanazavana tamin’ny alalan’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny fianakavian’i Fanomezantsoa, 22 taona, ilay voalaza fa jiolahy maty voatifitry ny zandary ny alatsinainy alina tao amin’ny fokontany Tanambao Verrerie, omaly. Nohamafisin’izy ireo fa tsy jiolahy i Fanomezantsoa satria vao tonga avy any Manakara izy, hiasa hanao fitaterana amin’ny posy ao […]