Taratra

INDRAY MIJERY

Hanao volon’andro ririnina ny andro anio sy rahampitso, hahatsapa hatsiaka, araka izany, ny amin’ny faritry ny afovoantany, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Mandrahona ny ilany atsinanan’ny afovoantany anio ary 22°C -24°C ny maripana ambony indrindra amin’io faritra voalaza io. 66,04 % ny taham-pahafahana bakalorea ho an’ny faritanin’i […]

Toamasina : 62, 35% ny taham-pahafahana bakalorea

Niakatra ho 62,35% ny taham-pahafahana fanadinam-panjakana bakalorea, ho an’ny faritany Toamasina, ahitana faritra telo : Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Ana­lanjirofo. 62,30 % ny ta­ham-pahafana ny taon-dasa. Nihaona ny alatsinainy lasa teo, tetsy amin’ny CEG Ra­tsimilaho ireo mpampianatra sy filohan’ny oniversite nandinika ny naoty farany ambany. Nambaran’ny filohan’ny oniversite, dokotera Razanako­lona […]

« Salon de l’étudiant »: Vinavinaina ho 10 000 ny hitsidika

Mikarakara «Salon de l’étudiant» ny Centre d’information et de documentation scientifiques et techniques (CIDST). Hotanterahina etsy amin’ny lycée JJ Rabearivelo Analakely izany ny 24 sy 25 ary 26 aogositra ho avy izao. Miavaka ny hetsika amin’ny fandraisan’ireo ivontoeram-panofanana ho mpiasam-panjakana sy ireo sekoly ambony eto Antananarivo sy avy any amin’ny […]

Fahazoana vatsim-pianarana : 27 mianadahy ireo mpianatra ho any Sina

Hanainga ato ho ato ireo Malagasy mpianatra 27 mianadahy handranto fianarana any Chine. Nisafidy lalam-piofanana maro izy ireo. Hiverina an-tanindrazana rehefa vita ny fianarana. Nampahafantarina oma­ly, teny Ivato, ireo tanora 27 mianadahy hanohy fianarana any amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine. Hanainga ato ho ato izy ireo ary hiparitaka amin’ireo oniversite 23 […]

TARATRY ny KANTO

Tafatsangana ny « Sehatra bagasy » any Frantsa. Io no anisan’ny voandalana lehibe nentin’ny R’Imbosa nandritra ny fandalovany tany an-toerana. Mialoha ny fifidianana dia ireto aloha no mitantana : Raiamandreny : Rakotonirina Wilson sy Hanta mivady. Filoha : Andrianasolo Rolland Rafiankinana sy Antso mivady. Mpitan-tsoratra : Rasoamahenina James sy Eliane mivady. Tsy mivelatra ny hosodoko. Noho […]