Taratra

Faritra Menabe: nampiaka-peo amin’ny tsy fandriampahalemana ny eveka

Tsy vao voalohany. Mbola nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana indray ny evekan’ny diosezin’i Morondava. Efa tena tafahoatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Anisan’izany ny any an-toerana. “Ny zava-doza mitranga ary tena hoe lasa lalina dia lalina ny faharatsiana mahazo ny Malagasy, indrindra aty amin’ny faritra Menabe. Koa miangavy ny […]

Tsy nanam-bola omena am-badiny: raim-pianakaviana iray nananton-tena tamin’ny tady

Tranga mampalahelo! Raim-pianakaviana iray 35 taona no maty nanaton-tena tamina hazo afakomaly rehefa avy nifamaly tamin’ny vadiny. Omaly tokony ho tamin’ny 05 ora maraina hita faty nihantona tamin’ny tady teo ambony manga maniry teo amin’ny fefin-tranony ny vata-mangatsiakany. Monina ao Ambalamanga, fokontany Fenoariavo atsimo, kaominina sy distrikan’i Farafangana ny lehilahy. […]

Anjanahary: tratra ireo jiolahy mpangalatra kojakojana anaty fiara

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, afakomaly alina, tamin’ny 9 ora, teo amin’ny fitobiana fiara iray teo Anjanahary ireo jiolahy mpangalatra kojakojana anaty fiara. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nahatsikaritra olona hafahafa misikotra varavarana fiaran’olona mitoby amin’ny fiantsonana. Rehefa nanatona azy ireo ny polisy […]

Nanafika tsenam-barotra: dahalo iray lavo, telo sarona  niaraka tamina  vola  halatra

Nanafika tranombarotra iray tao amin’ny fokontany Begavo I, distrikan’Ambanja, voasambotra ny dahalo telo lahy niaraka tamin’ny  vola 2 800 000 Ar, afakomaly hariva. Naka an-keriny ny vola tao amin’ireo tompon-trano, nitifitra ireo jiolahy. Naratra tamin’izany io tompon-tsena io. Lasa nandositra ireto olon-dratsy niaraka tamin’ny vola. Raikitra ny fifanenjehana nataon’ny zandary. Nifampitifitra […]