Taratra

Badminton : hatao amin’ny avrily ny fifidia­nana filohan’ny Federasiona

Taorian’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara natao teny Ampefiloha, ny sabotsy 20 janoary lasa teo. Hiatrika ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny Federasiona malagasin’ny Badminton. Hotanterahina ny faran’ny volana avrily ho avy izao ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Bad­minton (FMB). Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao eto Antananarivo […]

Fiaraha-miasa ESPA sy ACPE : mandalina ny «Lean Management» ireo mpianatra

Misitraka fiofanana maimaimpoana amin’ny alalan’ny fandalinana ny «Lean Ma­na­ge­ment» ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambony Poly­technique Vontovorona, nanomboka ny 25 janaoary teo. Hanampy ny tanora hiorim-paka amin’ny fomba fiasa manokana mitaky ny lafatra ha­trany io fianarana «Lean Ma­nagement Six sigma» io. Fitaovana iray nampiasaina nanomboka ny taona 1850, nandritra ny […]

Taon-jobily 2025 : mamelona ny fanantenana ny fiangonana katolika

Ao anatin’ny fiomanana amin’ny fankalazana ny taon-jobily 2025 ny fiangonana ka­­tolika. “Mpivahinin’ny fanantenana” no lohahevitra amin’izany, izay hosokafana amin’ny alalan’ny fotoam-ba­va­ka amin’ity taona ity. Taom-pahasoavana ny jobily ka ezahina ny handalina sy hiaina bebe kokoa ny finoana. “No­ho ny fahasahiranana, ny fahantrana, ny herisetra, ny ady manjaka eran-tany dia ki­vy […]

Politika ankapoben’ny fanjakana : mahazo mitondra soso-kevitra ny depiote

Nisokatra omaly, ary tsy hihoatra ny 12 andro, ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ ny parlemanta. Anisan’ny nisongadina teny Tsimbazaza ny fisokafana ho amin’ny hanatsarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). “Araka ny And. 99 ao amin’ny Lalàmpano­re­nana, manana he­vitra sy afa-mitondra soso-kevitra ihany koa ny solombavambahoaka, raha misy ny ilàna […]

INDRAY MIJERY

Manoloana ny fitarainana niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy momba ny fanomezan-dra, nilaza ny sampandraharaha misahana ny famindrana ra fa maimaimpoana ny fanomezana izany ho an’ireo marary eny amin’ny hopitaly. Tsy maintsy mitondra olona roa kosa hanolo ny ra iray paosy, hanampiana ny tahiry. Manao fanentanana ny kaominina An­ta­na­na­rivo Renivohitra amin’ny hamenoana […]