Nanatanteraka fanadihadiana isan-tokantrano teny Ankazomanga Avaratra, Andraharo, ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Institut pasteur ary ny Cirad, momba ny aretina haromontana. Hisy ny fanaovam-baksiny ireo alika sy saka eny amin’ny fokontany, afaka roa volana. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana […]
Taratra
EPP sy CEG eto Antananarivo : ampanofain’ny mpitantana antsokotsoko
Nampiantso ireo tomponandraikitra momba ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra ny CUA, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco, ireo talen-tsekoly eny amin’ny EPP sy CEG…). Nisongadina tamin’ izany fa misy amin’ireo mpitantana sekoly manjakazaka tsy an-kiera amin’ny kaominina amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa izay an’ny kaominina ny fitantanana azy. Mahazo […]
Fanolanana : ho mafy ny sazy miandry
Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanamafisana ny sazy ho an’ireo olona voaheloka amin’ ny fanolanana. Noraisina, araka izany, ny volavolan-drijantenin-dalàna manova ny andininy sasantsasany ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana mahakasika ny fanolanana na fikasana hanolana. Efa nanome toromarika rahateo ny filohan’ny Repoblika ny amin’ny hanamafisana izany […]
Holafitra nasionaly : «Hanenjika ny mpisandoka ho infirmier manomboka izao»
Mampitandrina ireo toeram-pitsaboana tsy miankina mampiasa olona mitonona ho infirmier nefa tsy manana diplaoma ny holafitra satria hiroso amin’ny fanenjehana manomboka izao. Nanao fivoriana voalohany ny mpikambana amin’ny biraon’ny holafitra nasionalin’ny infirmier sy ireo biraom-paritra 23, teny amin’ny HJRA, omaly. Nikorontana ny tontolon’ny asan’ny infirmier nandritra ny 15 taona farany ka […]
TARATRY ny KANTO
Les Talenta – Piment Café Behoririka. Rehefa ry zareo ireto no manafana ny fotoana ao, miitatra lavabe ny fiarahana. Hiverina ao amin’ny Piment Café indray, anio manomboka amin’ny 8 ora alina, i Mbola Talenta, Inah ary Fanilo Poppin’s. Maro dia maro ny hira notrandrahan’izy ireo, manomboka amin’ireo taloha hatramin’ireo noforonina […]




