Nofoanan’ny filankevitry ny minisitra, tamin’ny alalan’ny didim-panjakana, ny nanendrena ireo talem-paritry ny Fanajariana ny tany rehetra eny anivon’ny faritra. Nofoanana koa ny fanendrena ny tale jeneralin’ny Ivontoerana malagasy momba ny Teti-pivoarana (IMaTeP). Fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra ny nanendrena ny talen’ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana an-dRasoamiadanaVictorine. Tale mandrindra ny veliranon’ny […]
Taratra
Faritra Vakinankaratra : nijery ny olana ifotony ny Antenimierandoholona
Amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona, nisy ny fivoriana, atrikasa, natao tao Antsirabe, faritra Vakinankaratra, afakomaly. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ny governoran’ny faritra. Niatrika izany ny olom-boatendry sy olom-boafidy eny ifotony, toy ny lehiben’ny distrika sy ny lehiben’ny fokontany mbamin’ny ben’ny Tanàna, Antsirabe I […]
Koleranao, kolerako !
Mihazakazaka ny fametrahana olona sy ny fitadiavana toerana any amin’ny departemanta isan-karazany, taorian’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Mirodorodo, manao be fiavy any amin’ny biraom-panjakana ny manam-pahefana avy any amin’ny faritra, manao ady sisika ny toerana. Niaraha-nahalala fa manomboka rahateo ny fanovana olona. Maro amin’ny solombavambahoaka no manararaotra faramparany ny […]
Fanapahan’ny HCC : manohy ny asany ireo ben’ ny Tanàna
Namaly ny fangataham-panazavana nataon’ny Praiminisitra momba ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ny eo anivon’ny HCC. Mijanona amin’ny toerany aloha izany ireo olom-boafidy eny ifotony. Nambaran’ny avy etsy Ambohidahy fa mitantana vonjimaika mandra-pahatongan’ny fifidianana eny ifotony aloha izany ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, lany fe-potoam-piasana ny 10 janoary […]
427 nivoaka ny fonja : mirongatra indray ny asan-jiolahy ao Toamasina
Misy ifandraisany ! Tsy latsaky ny 20 hatramin’ny 30 isa ny olona tonga manao fitarainana eny anivon’ny fokontany, zandary ary ny polisim-pirenena fa iharan’ny asan-jiolahy : fanendahana, vaky trano, sinto-mahery. Raha ny fanadihadiana natao, misy ampahany amin’ireo voafonja vao nahazo fanalefahan-tsazy farany teo ny sasany amin’ireo jiolahy manao ny asa […]




