Nataon’ny mpimasy sorona i Nathalie. Ilay razana tsisy loha nariana teny Faravohitra, tamin’ny talata maraina. Ny ampitson’io, hita tao anaty dabam-pako ny lohany. Mitantara ny reniny… Mampivarahontsana ! Novetavetaina avy eo notapahina tamin’ny antsibe ny lohan’i Fifaliana Nathalie Thérèse na i Zazah. Tovovavikely vao 14 taona, nalain’ny mpimasy an-keriny ny alahady […]
Taratra
TSELATRA
Nampanantsoin’ny fitsarana ao Fianarantsoa ireo mpitsabo roa namoaka valim-pitiliana samy hafa tamin’ny raharaha fanolanan-jaza niteraka resabe, afakomaly. Nanambara ny mpitsabo iray fa tsy niharan’ny fanolanana ilay zazavavy folo taona nipetraka tao amin’ny mpampianany. Tetsy ankilany, nanamafy ilay mpitsabo iray fa simba tanteraka ny taovam-pananahan’ilay zaza. Zazamenavava narian-dreniny tao anaty lava-piringa […]
Tetikasa Kanto Manabe : efa miditra lalindalina ny fampiofanana
Nitohy omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fampiofanana ireo mpanabe ny Kanto, ao anatin’ ny Tetikasa “Kanto Manabe” (TKM). Manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny haikanto, indrindra ny fanaovana sary no nampita ny fahalalany tamin’ireo mpiofana, nandritra izany. Anisan’ izany Raharvel Katty sy Vania. Ny fototra amin’ny fanaovana sary maro […]
TARATRY ny KANTO
“RDJ Mozika 2023”. Nivoaka omaly ny lisitry ny sokajy hisafidianan’ny mpankafy amin’ity. 20 aloha hatreto ny sokajy nofantenan’ny komity mpanomana. Misy ireo efa tao hatramin’izay, fa ny ankamaroany kosa nanaraka ny fitsoky ny rivotry ny mozika tamin’iny taona nivalona iny. Hanampy ireo ny “artiste de l’année” sy ireo mety sokajy […]
Fialamboly sy fanabeazana : kilalao miavaka ny «Tsimok’arret»
Nisy ny fanentanana momba ny lalao «Tsimok’arret», notanterahina teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, omaly. Ny ekipan’ny Alt’Istik no niandraikitra izany. Ny «Tsimok’arret» dia karazana kilalao natao sy noforonina ho an’ny ankizy mihoatra ny enina taona. Ankoatra ny maha kilalao azy, mampahafantatra ny ankizy mahakasika ny aretina azo […]




