Ny faran’ny herinandro teo, niara-nientana nanao fanadiovana faobe ny mpiasan’ny boriborintany voalohany sy fahatelo. Nodiovina ireo toerana manakaiky tsena, ny lalan’ny mpandeha an-tongotra… Nampahatsiahivin’ireo delege eo anivon’ny boriborintany, nandritra ny hetsika, fa manana andraikitra amin’ny fahadiovan’ny tanàna avokoa ny rehetra, na ny mpampiasa lalana, na ny mpivarotra na ny mpiantsena, […]
Taratra
Faritra Amoron’i Mania : fehezina ny aretina pesta, apetraka ny paikady
Nametraka paikady ny ao amin’ny faritra Amoron’i Mania hamongorana ny aretina pesta. Nentanina amin’ny fahamailoana rehetra ny mponina mba tsy hiitaran’ny fahavoazana. Nidina tany amin’ny faritra Amoron’i Mania ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka, Raharimamonjy Lalie, niaraka tamin’ny ekipany, ny herinandro teo. Nametraka ny drafitra maty paika hiadiana amin’ny valanaretina pesta […]
Raharaha vary simba: afaka ny ahiahin’ny mponina ao Taolagnaro
Mbola mitana ny sain’ny ankamaroan’ny mponina ny raharaha vary simba, izay voalaza fa haparitaka amina toerana samihafa, toy ny any Taolagnaro. Manoloana izany, nitsirika ireo magazay ao Ranomandry, Cascadeur, SK Distribution ary ny magazay Lovasoa ny sampandraharaham-paritra momba ny Varotra (SRC) ao an-toerana, tamin’ny alakamisy. Voaporofo fa tsara sy tsy […]
Tsena iraisam-pirenena: hiakatra ny vidin’ny varahina
Vinavinaina hiakatra hatrany amin’ny 8 800 dolara ny vidin’ny varahina 1 taonina amin’ity taona 2024 ity, raha toa ka 8 523 dolara izany tamin’ny taon-dasa. Ny taona 2022, mitentina 8 788 dolara ny 1 taonina tamin’io akora io. Tokony ho voatazona ny vidin’ izany noho ny fihenan-danjan’ ny dolara. Mananosarotra rahateo […]
Teknika P-dipping : mampitombo ny vokatra
Mahomby ny teknika P-dipping nentina tamin’ny famokaram-bary teo Betsimitatatra. Manodidina ny 10% ny tera-bary eny amin’ireo tanimbary nanaovana ny teknika raha toa ka tsy namokatra kosa ny tanimbary nanaovana ny teknika nentim-paharazana, ny herinandro teo. Tsikaritra ihany koa fa miforona manodidina ny 3-3.5sm ny salohy eo amin’ireo tahom-bary nampiharana ny […]




