Anisan’ny handray anjara amin’ny “Festival international de film Rotterdam” (IFFR) ny sarimihetsika «Zanatany, L’empreinte des linceuls esseulés» an’i ‘Hachimiya Ahamada. Sarimihetsika maneho ny zava-nisy tany amin’ ny faritanin’i Mahajanga, indrindra ny fifandraisan’i Madagasikara tamin’ny nosy Comores, ny taona 1976. Sambany handray anjara amin’ny hetsika lehibe izy ity. Ny IFFR izay […]
Taratra
Kabary: harem-pirenena mampandroso ary lovain-jafy
“Izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazany”, hoy ny Fimpima. Azo itarafana ny maha izy ny firenena iray kabary. Notontosaina, omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny hetsika fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary, nokarakarain’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.mpi.ma). Niatrika izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ity fikambanana ity. Anisan’izany Andriamboavonjy […]
Seha-pihariana kafe : mitotongana ny vokatra nanomboka ny taona 1990
Tsy anisan’ny firenena malaza intsony i Madagasikara ankehitriny eo amin’ny fanondranana kafe. Mitotongana ny vokatra eto an-toerana efa an-taona maro izay. 1 % ihany ny anjarantsika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Amin’ny taom-pamokarana 2023-2024, mihevitra hanatratra 18 000 t ny Malagasy. Nitotongana ny sehatry ny kafe, indrindra nanomboka tamin’ny fiafaran’ny taona […]
FANTINA sy FINTINA
Niarahaba noho ny taona vaovao ny filoha teo aloha Ravalomanana ny RMDM, tetsy Ampandrana, ny sabotsy teo. Nivoitra tamin’izany fa teo hatrany izy ireo tamin’ny Vondron’ny kandidà (C11). “Tsy vitan’ny antoko iray ny fanavotana ny firenena fa ilaina ny fiaraha-mientana. Antoky ny fandresena sy ny fahombiazana izany”, hoy izy ireo […]
Rakotovao Rivo : « Ho maro ny ben’ny Tanàna mety higadra »
“Tena ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna izao ny tsy mbola anaovana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Ho be dia be indray ny ben’ny Tanàna mety higadra, fa teren’ny mpiara-monina amin’ny fanapahan-kevitra”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo. Fanambarana nataony manoloana ny tsy mbola fahatanterahan’ny fifidianana ben’ny […]




