Hita faty tao an-tranony vokatry ny fanafihan-dahalo tao Mahasolo, ny 25 desambra 2024, ny renim-pianakaviana iray. Nahazo fampitam-baovao ny zandary notarihin’ny tobim-paritry ny zandary ao Mahasolo momba ny fisian’ity vonoan’olona feno habibiana ity. Feno ratra ny vatany manontolo. Tonga teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 […]
Taratra
Namearison Robert : “Tokony havoakan’ny Ceni hatrany ny voka-pifidianana vonjimaika”
Naneho hevitra ny KMF/Cnoe momba ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana. Zon’ny vahoaka ny fahazoana vaovao momba izany, araka ny nambarany. “Tsy tokony hatao takalonaina amin’izany ny fiainam-pirenena. Tokony hitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalàna natao ho an’ny rehetra. Noho izany, tokony havoakan’ny Ceni hatrany ny voka-pifidianana vonjimaika. Zon’ny […]
Noely sy taom-baovao: Nisitraka tolotra ireo zaza navelan’ny polisy maty am-perinasa
Ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny fiomanana amin’ny taom-baovao, tsy nanadino ireo zaza kamboty navelan’ny polisy maty am-perinasa, izay ivelan’ ny ankanin’ny polisim-pirenena, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny talata lasa teo. Notolorana vary sy kilalao ary kojakoja ilaina andavanandro avy izy ireo, izay natao tetsy amin’ny Hôtel de […]
Vaninandron’ny fety: Mamely ny fivalanana sy ny aretina vokatry ny fimamoana
Aretina mateti-piseho amin’ izao fety izao ny aretin-kibo azo avy amin’ny sakafo. «Mivalana sy mandoa ny ankamaroan’ny olona voan’izany ary betsaka voa ny ankizy», hoy ny mpitsabo, Dr Rakotonindriana Norbert. Miova amin’ny mahazatra ny sakafo rehefa fety ka tampohiny ny vavony sy ny tsinay, antony mahatonga izany. Ankoatra izay, mety […]
Oniversiten’i Fianarantsoa: Nametraka ny fampianarana ampitain-davitra
Nanamarika ny taona 2024 ho an’ny Onivesiten’i Fianarantsoa ny fisantarana ny fampianarana ampitain-davitra (Foad) tanterahina eo anivon’ny fakiolten’ny Siansa ary tohanan’ny Agence universitaire de la francophonie (AUF). Mahakasika lalam-piofanana roa ny tetikasa Foad, ny Master en Gestion intégrée des ressources en eau (Gire) sy ny Licence professionnelle en exploitation des […]